kolon-tsaina

Tranombokim-pirenena : Manana tahala manokana i Inde

“India corner”, na tahala manokana ho an’ny firenena indianina. Sambany no misy ao amin’ny Tranombokim-pirenena izany. Mariky ny firoboroboan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izy ity. Mihamafy ny fifandraisana ara-kolontsaina sy ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy Inde. Notokanana omaly mantsy ny “India corner”, tahala iray manokana ho an’ity firenena […]

TARATRY ny KANTO

« Vibe Tropical ». Hivadika ho Lapan’ny mozika tropikaly ny Lapan’ny fanatanjahantena, anio. Hanomboka amin’ny 7 ora alina ny fampisehoana, izay hafanain’i L-Jo, Lion Hill, Basta Lion ary i Mr Sayda. Tena fampisehoana feno ny anjaran’ny tarika tsirairay. Haka endrika toeram-pandihizana ankalamanjana kosa ny eny amin’ny “esplanade”, izay hafanain’i Dj Looping, manomboka […]

Mitohy ny lalana: Ceasar, ambasadaoron’ny Yas

Raha manonona anarana tanora malagasy mpanakanto malaza amin’izao fotoana, ao anatin’ny 5 voalohany i Ceasar. Mbola manamafy izany lazany izany ny nisafidianan’ny Yas Madagasikara azy ho ambasadaoron’ity orinasan-tserasera ity. Tontosa omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Anko­rondrano, ny fampahafanta­rana amin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasa vaovao. « Mitombo iray izao ny fianakavian’ny Yas Madagascar. […]

Fondation H Ambatomena: Manasongadina ny foko Mikea i Andy Rasoloharivony

Miavaka ary tena zavakanto tokoa no harantin’i Andy Rasoloharivony. Mitondra fahalalana mahakasika ny foko Mikea mantsy izany, ankoatra ny maha fialamboly azy. Tanterahina nanomboka omaly hatramin’ny 2 ja­noary 2025, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fampirantiana “Et ils gravèrent le sable”. Sehoranty ataon’ i Andy Rasoloharivony izy ity. Ao anatin’izany […]

Kalon’ny fahiny: 10 taona Ny Feon’Analamanga

Mamelona ny kalon’ny fahiny. Tarika ny Ny Feon’Ana­lamanga, mandia ny faha-10 taonany. Amin’ny alalan’ny fampisehoana an-tsehatra no hankalazan’izy ireo io vanim-potoana lehibe io. Zoma 27 desambra, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro, ao amin’ ny Ivokolo Analakely (Gallérie 6 teo aloha). Anisan’ny mampiavaka ity tarika ity ny fananany mpikambana tanora […]