kolon-tsaina

Mario Prencipe – « De l’analogique au numérique »: Mihaona anaty kanto ny hosodoko fahiny sy ny teknôlôjia

Ny tena zavakanto, tsy lefin’ny vanim-potoana. Azo atao ihany koa ny mampiaraka ny tany aloha amin’ny teknôlôjia ankehitriny. Manamafy ireo ny fampirantiana tanterahin’i Mario Prencipe, eto Madagasikara, nanomboka omaly. «De l’analogique au numérique », fampirantiana tanterahina, ao amin’ny Institut des Arts et des Technologies Avan­cées (InATA) Ankadi­vato. Mario Prencipe, mpanakanto manana […]

Fetin’ny faran’ny taona: saika ivelan’ny Renivohitra ny hetsika

Amin’ny tonon-taona tahaka izao. Efa zary mahazatra ny Malagasy ny « manao fety ». Ny hira sy ny dihy no mahazo vahana kokoa amin’izany. Ho an’ity fanakatonana ny taona 2025 ity. Maro amin’ireo Malagasy mpanakanto no nisafidy ny hijanona eto an-toerana. Saika any amin’ireo efitrano mala­laka na « Espace » ivelan’ny Renivohitra no hanatanteraka […]

Fametrahana ny rafi-pitondrana: « Tokony hiainga amin’ny soatoavina », hoy ny AAM sy ny AOM

Nanao fanambarana sy nanome soso-kevitra aroso amin’ny fikaonandoham-pirenena ny Anteni­mieran’ny andriana merina (AAM) sy ny Antenimieran’ny oloben’i Madagasikara (AOM), ny herinandro lasa teo. “Tokony hapetraka eto Ma­dagasikara ny rafi-pitondrana miainga amin’ny soatoavina sy ny fomba amam-panao maha Malagasy”, hoy An­drianjanaka Vahaniaina José, fitokaja eo anivon’ny AAM. “Tokony hofidiana amin’ny alalan’ny […]

Sarimihetsika, hira, dihy… Nodimandry i Brigitte Bardot

Taona 1950 – 1970. Fo­toana nampamirapiratra an’i Brigitte Bardot. Mpilalao sarimihetsika, mpandihy, mpilatro, mpihira… Samy nananan’ ity mpanakanto teratany fran­tsay ity avokoa ireo talenta ireo. Fantatra fa nodimandry, omaly alahady 28 desambra, tany Saint-Tropez Frantsa, teo amin’ny faha-91 taonany (te­raka tamin’ny 28 septambra 1934) i Brigitte Bardot. Raha ho an’ny […]