kolon-tsaina

Palais des Sports Mahamasina: nanome ny tsara indrindra ny Reko

Fampisehoana an-tsehatra anisan’ny nahasarika mpijery maro tamin’ny faran’ny herinandro teo. Noporofoin’ny Reko fa tsara ny fiomanan-dry zareo. Omeny lanja ny mpijery. «Izahay hanome ny tsara indrindra avy aty aminay ho anareo foana », hoy i Fy Rasolofoniaina, andro vitsy nialoha ny fampiseho­ana, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina. Omaly, io […]

Taorian’ny tranombakoka: notokanana koa ny Kianja Vavitiana

Harembako-pirenena mampiavaka an’i Toamasina ny Mozea Vavitiana. Notokanana ihany koa ny kianja, izay manamafy ny maha vavolombelon’ny tantaram-pirenena ity toerana ity. Raha misy ny toerana iray mahasarika mpizahatany ao Toamasina dia ao amin’ny Mozea Va­vitiana Ampasimazava. Iray amin’ireo harembako-pirenena ity toerana ity, mirakitra ny ampahan’ny tantaran’i Mada­gasikara. Tra­no anisan’ny tranainy […]

CID: nanome boky ny Tranombokim-pirenena

“Parle fort, parle juste: Guide d’éducation aux médias en ligne”. Io ny lohatenin’ny boky izay natolotry ny ONG Commu­­nication Idea Development (CID), ho an’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy, omaly. Boky novolavolaina tanora vi­tsivitsy, matihanina eo amin’ny sehatry ny serasera izy ity. Tari-dalana natao ho an’ny tanora ihany koa, izay natao tamin’ny teny […]

« The Last Gratest Show »: seho farany amin’ny “Namana sy Mozika”

Andiam-pampisehoana niavaka indrindra tamin’ity taona ity ny “Namana sy Mo­zika”. Hisy ny andiany fahatelo sady farany, izay hotontosaina ny 31 desambra izao, eny amin’ny Akanin’ny Tiana Ambohimanandray. Hatokana hanaovam-beloma ny taona 2025 izay namirapiratan’ny “Na­mana sy ny Mozika”, no hitsenana ny taona 2026 ami­na tetikasa ara-javakanto vaovao indray izany. Antony […]

Nohainoana ireo mpanakanto: Tale jeneraly i Theo Mikea, niaka-dapa i Beranto AmbondronA

Nivaly ny tolona, ho an’ireo mpanakanto. Hatreto, narahin’ny mpitondra avokoa ny soso-kevitr’izy ireo hanatsarana ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Homena ny mpanakanto ny toeran’ny tale jeneralin’ny kolontsaina, eo anivon’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina. Ani­san’ ny fangatahan’ny sendikan’ny kanto, ivondronan’ireo mpamorona, mpanoratra, mpanao mozika izany. Ni­voaka tamin’ ny Filankevitry […]