kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Nanolotra ireo boky nosoratany ho an’ny Tranombokimpirenena Anosy, i Thierry Sinda. «Antho­logie des poèmes d’amour des Afriques et d’ailleurs », édition Orphie, « Mémoires et Révoltes au féminin », « Les Olympes noirs d’Henri Moucle », na­voakan’ny édition TSM no nomen’ity mpampianatra mpikaroka momba ny haisoratra sy ny siansa maha olona, mpanao gazety, poeta ary […]

Kolontsaina: Ho takona tsy ho ela ny orin-trano malagasy

Taitra ireo zatra mampiasa sy manokatra ny masom-panahiny. Tsy tafajanona eo amin’ny endrika amam-bika, fotsiny, mantsy ny zava-misy amin’ny kolontsaina. Manana ny fiantraikany lehibe eny anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena iray manontolo izy ireny. Ahina, afaka fotoana fohy, ho takona ny orin-trano malagasy fahita eto Imerina na ny tranogasy. Mirakitra […]

Is’Art Galérie : « Tambatra », fanehoan-kanton’ireo mpanao hosodoko

Mpanao hosodoko efatra, samy manana ny aingam-panahiny sy ny fironany amin’ny hosodoko, no hiara-hisalahy amin’ny « Tambatra ». Fampirantiana hanehoan’izy ireo hafatra iombonana amin’ny alalan’ny zavakanto. «Tambatra», maneho ny fiarahana, fiombonana, firaisankina, sns. Hanehoan’ireo mpanakanto ireo hevitra maro tsy tabaina, kanefa miboika ana­tin’izy ireo ihany koa. Fampi­ran­tiana iray, hahitana ny sanganasan’i Amir J, […]

Sokitra sy hosodoko : Lavo ny andrarezina, Edouard Rajaona

“Manaraka ny aingam-panahy any fotsiny…”. Fitenin’i Edouard Rajaona rehefa miresaka ny kanto trandrahany io. Nanosika azy no anisan’ireo mpanao sokitra sy hosodoko kalaza indrindra izany. Mitoetra hatrany ireo sanganasany. Ny zanany no nanam­bara ny fodiamandrin’i Edouard Rajaona. Avy hatrany dia niraradraraka ny fiaraha-miory nomban’ny fitanisana ireo fahatsiarovana, fa indrindra ny […]