kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Hiaka-tsehatra eny amin’ny CCI Ivato, ny 13 desambra 2024, i Amine Radi. Izy izay mpanao ha­tsikana teratany Marokanina. Manana ny maha izy azy eo anivon’izao tontolo izao. Seho manodidina ny 150 000 no efa vitany ary ampolony ireo firenena efa nanaovany fampisehoana. Mialoha ny hahatongavany eto Madagasikara. Hisy ny seho […]

“Intelligence artificielle” : hitondra aina vao sa hanimba ny saripika ?

Seha-kanto maro no hozongozonin’ny fivoaran’ny teknolojia amin’izao. Tsy afa-bela ny saripika. Efa mahazo vahana ny fampiasana ny «intelligence artificielle» na IA, izay mampitolagaga ny zava-bita aminy ankehitriny. Nisy ny ady hevitra mahakasika izay ny faran’ny herinandro lasa teo tetsy amin’ny AFT Anda­vamamba. Tafiditra anatin’ny hetsika «Sar’nao», namaranana ihany koa ny […]

« L’enfant et le tambour de nuit » : hiaka-tsehatra eny amin’ny Aft Andavamamba

Anisan’ny mendrika hisitraka sy hianoka ny zavakanto miavaka ny Malagasy, indrindra ny ankizy. Izany no anton’ny hetsika fampahafantarana ny « L’enfant et le tambour de nuit ». Taorian’ny fitetezana faritra maro. Anjaran’ny eto Antananarivo indray izao no handray ny compagnie Miangaly theatre, miaraka amin’ny piesy teatraly «L’en­fant et le tambour […]

TARATRY ny KANTO

Fanomezan-danja ny Bagasy sy ny kalon’ Imerina. Tontosa ny Sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Arena Ivandry, ny fampisehoana niarahan’ny tarika Zandry gasy sy ny M’iray kalo. « Kalo gasy, iray fitempo », ny lohateny nampitondraina ny seho. Novoizina sy nomena sehatra tamin’izany, ny vazo Bagasy sy ny kalon’ny fahiny. “Tianay ny hamerina […]

Vazo miteny sy tsapiky : hifandimby an-tsehatra i Tirike sy Samoëla

Mpanakanto roa samy andrarezina eo amin’ny karazan-kira manavanana azy. Samoëla, hitondra ny vazo miteny, i Tirike, haneho ny ha­kanton’ny tsapiky sy ny gadona avy any atsimon’ny Nosy. Ny alin’ny 31 desambra izao no hanatanteraka ny « Ré­veillon 2024 », eny amin’ny Espace Vohimasina, Ambo­hibao Ambohijanahary, Do­maine Manerinerina izy ireo. Ho heno sy […]