kolon-tsaina

Ivokolo Analakely : Hasongadina ny hira sy dihy vakodrazana

Nahazo ny anjarany ny mpanao hiragasy. Miara-dalana amin’izy ireo ihany koa ny vovonan’ny mpanao hira sy dihy vakodrazana, izay hasongadina ny alatsinainy izao. Mamerina, mamelona ary mampahafantatra. Andraikitra lehibe sa­hanin’ireo mpanakanto mpivoy ny hira sy dihy vakodrazana ireo. Antom-pisian’ny Vo­vonan’ny mpanao vakodrazana, ihany koa izany mba hanomezan-danja ny talentan’ireto mpitahiry […]

“Up Fankatia”: Haseho televizionina ny mpifankatia

Misy fandaharana miaina mivantana (télé-réalité) vaovao hafa indray omen’ny Startimes ny mpanjifa. Miara-mamokatra ny fandaharana mahakasika ny fitiavana, “Up Fankatia”, an­diany faharoa ny StarTimes sy ny TV Plus. Vokatra 100% tena mala­gasy. Hanomboka ho hitan’ny mpijery amin’ny 20 desambra ho avy izao ny fandaharana voalohany. Fotoana miavaka ho an’ny olon-drery, […]

Pergola Antaninarenina : Haverin-kasina ny tsangambaton-dRabobalahy

Vakoka ampovoan-tanàna, kanefa dia nisy nandoto sy nanimba. Antony nanapahana hevitra ny hamerin-kasina ny toera-malaza etsy Antaninarenina izany, satria mitana ny tantara mahaliana ny taranaka ihany koa. Pergola Antaninarenina. Lapan’ny fanorona no fahafantaran’ny maro azy. Toerana efa nisy fahiny, satria dia ahitana ny tsangambaton’ny Printsy Rabobalahy, zanaky ny mpanjaka Radama […]

Louis Gaston Randriam : Mampiranty ny sanganasany

Mpanakanto nirona bebe kokoa tamin’ny hosodoko ary fanta-daza amin’izany i Louis Gaston Randriam. Nosokafana omaly ny fampirantiana “Retour à la source”, izay ahitana ireo sanganasany, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Fiverenana an-doharano, fanakaikezana ny fototra nipoirana amin’ny lafiny rehetra, indrindra ny asa famoronana izany ho an’ity mpanakanto ity. “Ny miverina mampiranty […]

Fetin’ny Noely : Hanolotra ny « Iza no antenaiko? » ny Chorale Orimbato

Toy ny mahazatra, hisy hatrany ny Antsa Noely fanaon’ny Choral Orimbato eny Ambatonakanga. Seho klasika hatrany izany, hanasongadinana ny talentan’ireo mpikambana. «Iza no antenaiko?», Antsa Noely atolotry ny Chorale Orimbato, ny alahady 21 desambra amin’ ny 3ora sy sasany hariva, ao amin’ny FJKM Tranovato Am­batonakanga. Andrenesana fehezan-kira mahatratra 12, hivoizana […]