kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

“Hitono kalo 2.0”. Haverina indray anio tolakandro, manomboka amin’ny 2 ora, ao amin’ny Efi­trano Dox, Tranombokim-pirenena. Antsa tononkalo miavaka, iarahana amin’i Riva sy Onja Rakotomalala izy ity, hitondran’izy ireo ny sanganasa voafantina, mifanaraka sy mifaningotra mba hitana ny fo amam-panahin’ireo izay hanatrika. Efa andiany faharoa ny hetsika, noho ny fahombiazan’ny […]

Fakafaka: Fanavaozana inona?

Fanavaozana, fanovana toe-tsaina, fananganana rafitra vaovao. Voambolana malaza amin’izao fotoana ireo, satria anatin’ny vanim-potoana tokony hitondra mankany amin’ny fiovana i Madagasikara. Inona ny mahakasika ny kolontsaina, amin’izany fanavaozana izany? Izy rehetra. Mba tsy hilazana fa ny lafiny kolontsaina mihitsy no kitihina amin’izany. Saingy mety ilay voambolana« fanavaozana » no tsy mampitovy hevitra. […]

«Salon de la gastronomie», andiany faha-11: Homen-danja manokana ny vokatra sokolà

Hetsika lehibe ho an’ny hainahandro eto Madagasikara. Hanasongadina ny akora, ny vokatra ary ny fahaiza-manao malagasy izy ity. Sehatra ifaneraseran’ireo matihanina amin’ny hainahandro ihany koa. Saika hatao ny volana septambra teo, saingy voatery nahemotra noho ny toe-draharaha. Efa feno kosa izao ny fepetra, ka ho­tontosaina ny 18 hatramin’ny 20 desambra […]

Vondrona Filatex : Vavahady noravahana loko afrikanina tatsimo

Notokanana, omaly, ny fo­todrafitrasa vavahady « Arche Malaga », an’ny orinasa Fila­tex Properties, ao anatin’ny Vondrona Filatex, eny amin’ny trano fonenana, akaikin’ny Marais Masay Antananarivo. Mampiavaka azy, ilay artista mpanao hosodoko afrikana tatsimo, Esther Mahlangu, 90 taona, fanta-daza maneran-tany amin’ny haitao Ndébélé no nampihaingo sy nandoko ity fotodrafitrasa ity. 90 taona i […]