kolon-tsaina

Mpaminany tapany…: ho levona ny teny malagasy?

Hatramin’izao taona 2024 izao, mbola vitsy ireo boky mirakitra ny tantaram-pirenena ka Malagasy no nanoratra azy. Izay kely mba hita eny amin’ny fivarotam-boky indray, voasoratra amin’ny teny vahiny avokoa. Fa naninona raha nosoratana tamin’ny teny malagasy? « Tsara ny hisian’ny boky tahaka itony mba hahalalan’ny taranaka ny tantaran’ny firenena », hoy ireo […]

« Urban Heart », andiany fahadimy : nampivondronana ny kolontsaina an-tanàn-dehibe

Hetsika ara-kolontsaina nahasarika mpankafy malagasy maro ny “Urban Heart”. Nampisehoana ireo karazana kolontsaina an-tanàn-dehibe amin’ny endriny maro. Tontosa omaly, tetsy amin’ny zaridainan’Anosy, ny hetsika « Urban Heart », andiany fahadimy. He­­tsika ara-kolontsaina maroloko, nokarakarain’ny Cercle Germano Malagasy (CGM). Misy ny fiaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nahafahana na­nantanteraka ny hetsika. Fo­toana iray nahafahana […]

Mara Volamiranty Donna :: “Fitaovana ampitana hafatra ny MSK”

Tonga nitsidika ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina tetsy Nanisana ny masoivohon’i Chine miasa eto Madagasikara, i Ji Ping, afakomaly. Betsaka ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy izy ireo, amin’ny sehatra maro samihafa. «Anisan’ny fitaovana voalohany indrindra ampitana ireo hafatra fototra ahafahana manantanteraka ny laharam-pahamehana ataon’ny fitondram-panjakana sy ny masoivohon’ny […]

Slam malagasy : Hanomboka hivelatra amin’ ny teny anglisy

Mitaiza sy manabe ny “Slam poèsie” amin’ny maha zavakanto azy. Misy, araka izany, ny fivelarana amin’ny teny anglisy mba hahafahan’ny mpiangaly azy mivelatra sy manaraka ny zava-misy ankehitriny. Miditra amin’ny andiany faha-15 ny “Slam na­tio­nal” amin’ity taona ity. Ankoatra ny fahatongavan’ i Marc Kenny Smith. Anisan’ny hampiavaka ity andiany ity […]

TARATRY ny KANTO

Fampirantiana saripika, ao amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Sanganasan’i Aina Zo Raberanto sy Henitsoa Rafalia, mpaka sary sady mpanao gazety, ireo haranty manomboka anio, amin’ny 7 ora alina. Arahina seho hataon’i Lock & Dee sy Ranto Niaina izany, hanasana ireo mpankafy ny kanto marolafy. Rock ranoiray, eny amin’ny Food La City […]