Manana ny toerany lehibe amin’ny fikirakirana sary ihany koa ny Intelligence artificielle. Hasongadin’ireo mpaka sary amin’ireo sanganasany, hampirantiana etsy amin’ny CGM/GZ, izany. «IA, vision multiple ». Io ny lohahevitry ny fampirantiana iombonana, izay tontosaina etsy amin’ny CGM/GZ, amin’izao fotoana izao. Manasongadina ny zava-bita amin’ny Intelligence artificielle, eo amin’ny sehatry ny saripika […]
kolon-tsaina
Fanamby lehibe: tontosa ny mofomamy mirefy 322 m
Mofomamy “Bûche de Noël” lehibe indrindra tontosa aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Tatran-dry zareo avy ao amin’ny Disciples Escoffier Madagasikara io fanamby io, ny sabotsy teo, teny amin’ny Zone Zital Ankorondrano. Mpahandro maromaro no nifarimbona nanatontosa izany, ary efa roa andro no nanombohan’izy ireo ny asa. Akora maro no […]
Jaw’s Band & Revival Messengers: raikitra ny seho « Gospel Vibe Christmas » 2025
« Hifanaraka amin’ny vanim-potoan’ny Noely ny seho, ny loko sy ny fomba fihirana ireo sanganasan’ny tarika Jaw’s Band. Tahaka izany ihany koa ireo fomba fisehoana eny an-tsehatra eo amin-dry zareo… ». Anisan’ny hampiavaka ity fampisehoana an-tsehatra ity ireo, raha ny fanazavan-dRandimbinjanahary Tahiana, avy ao amin’ny Giga Vibes Évent, mikarakara ny hetsika « Gospel […]
Fanja Andriamanantena: vokatra “Collector”, anamarihana tsingerin-taona 3
Mpamoron-kira, mpandrindra, mpihira, mpitendry nanamarika ny mozika malagasy tao anatin’ny 60 taona i Fanja Andriamanantena. Natambany ho iray ireo vokatra sy ny momba azy, hanamarihana tsingerintaona telo lehibe… 80 taona, 60 taona an-tsehatra ary faha-20 taonan’ny “Mozika tsotra izao”. Tsingerin-taona 3 lehibe ho an’i Fanja Andriamanantena, andrarezin’ny mozika ary mbola […]
TARATRY ny KANTO
“Ndao hiaraka”, seho fiderana iarahan’i Njakatiana amin-dry Ny Mpitory sy ny Feo Mamatonalina. Hotontosaina ny alahady 21 desambra izao izy ity, eny amin’ny FJKM Andavamamba Kristy Velona, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Seho hafa mihitsy noho ny mahazatra ity karakarain’ny antoko mpihira Akon’i Kristy Velona ity, satria tsy mbola […]




