kolon-tsaina

Tsy ho afa-mandroso : miandry vahiny hatrany ny Malagasy

Tsy manam-bola matoa omen’ny vahiny famatsiam-bola. Tsy manam-bary matoa manafatra vary. Tsy manana manam-pahaizana matoa miondrika eo anatrehan’ny zava-boalazan’ny vahiny, sns. Saika tsy ananan’ny Malagasy sy i Madagasikara avokoa ny zava-drehetra matoa voasokajy ao anatin’ny firenena farahidiny eto ambany masoandro. Miaina ao anatin’ny fahantrana lalina. Na fomba fiteny tsy nipoitra […]

“Festival The Court Behind” : handray anjara i Rova Andriantsileferintsoa

Fandraisan’anjara fanintelony amina fifaninana eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika saingy voalohany koa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity, ho an’i Rova Andriantsileferintsoa. Hotanterahina ao La Réunion, ny 1 hatramin’ny 5 oktobra 2024, ny “Festival The Court Behind”, andiany fahenina. Fifaninana­na natao ho an’ireo Afrikanina mpanatontosa sarimihetsika, mpila ravinahitra. Miisa 13 ireo mpandray […]

TARATRY ny KANTO

Fa nankaiza ireo mpilalao teatra? Efa noraisin’ny Malagasy ho anisan’ny kolontsainy ny teatra klasika. Nanana tropy na tarika mpilalao teatra vitsivitsy efa nanana ny mampiavaka azy i Madagasikara, indrindra fa Antananarivo. Tsy tazana eny an-tsehatra intsony izy ireny tao anatin’ny folo taona. Ankoatra ny tsy fisian’ny toerana ilalaovana, somary natory […]

Zava-misy ankehitriny: iharan’ny tery vay manta ny kolontsaina

Antony iray tsy mampivelatra ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny tery vay manta mianjady aminy. Zanaka mpanakanto, mihevi-tena ho mpanakanto avy hatrany. « Kolom-body » ambara ho kolontsaina malagasy. Ny ratsy (mitsipaka ny soatoavina) dokafana ho tsara sy fandrosoana… Tery vay manta avokoa ny tahaka ireo. Saika tratra tahaka izany ny […]