kolon-tsaina

Taom-pampisehoana 2024: hifaninanana ny seho goavana sy tsara kalitao

Raikitra! Hisokatra afaka herinandro vitsy ny taom-pampisehoana ho an’ny taona 2024. Efa naka bahana amam-bolana ireo mpanakanto sy mpikarakara, hifaninana amin’izany. Efa samy mandrangaranga ny tetikasany sahady… Manodidina ny Fetin’ny mpifankatia hatrany ny fanombohan’ny taom-pampisehoana eto Madagasikara. Saika seho anaty efitrano ihany anefa, satria mbola anaty vanim-potoan’ny orana izany. Ny […]

Tetikasa Kanto Manabe : efa miditra lalindalina ny fampiofanana

Nitohy omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Ana­lakely, ny fampiofanana ireo mpanabe ny Kanto, ao anatin’ ny Tetikasa “Kanto Manabe” (TKM). Manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny haikanto, indrindra ny fa­na­o­vana sary no nampita ny fa­ha­lalany ta­min’ireo mpiofana, nandritra izany. Anisan’ izany Raharvel Katty sy Vania. Ny fototra amin’ny fanaovana sa­ry maro […]

Fialamboly sy fanabeazana : kilalao miavaka ny «Tsimok’arret»

Nisy ny fanentanana momba ny lalao «Tsimok’arret», notanterahina teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, omaly. Ny ekipan’ny Alt’Istik no niandraikitra izany. Ny «Tsimok’arret» dia karazana kilalao natao sy noforonina ho an’ny ankizy mihoatra ny enina taona. Ankoatra ny maha kilalao azy, mampahafantatra ny ankizy mahakasika ny aretina azo […]

“Tsika Jiaby Festival” any Frantsa : niampy tarika malaza 14 ny mpandray anjara

Tsy mbola nisy toa ity, na teto Madagasikara aza! Ankoatra ireo tarika am-polony efa nambara fa ho avy, niampy indray ireo mpanakanto handray anjara amin’ny “Tsika Jiaby Festival” any Frantsa. Ho fanandratana ny mo­zi­ka malagasy. Fanam­by goavana be ny an’ny Mam’s Event, izay mikarakara ny “Tsika Jiaby Festival”. Ity ny […]

Fondation H: hampahafantarina ny fanenoman’i Madame Zo

Hisy ny hetsika misokatra ho an’ny rehetra, tanterahina eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 20 janoary 2024. Ny mahakasika ny fanenoman’i Madame Zo na Razakaritrimo Zoarinivo no lohahevitra lehibe amin’izany. Raha tsiahivina, fanambin’ny Fondation H sy ny mpitantana azy ny hampivelatra sy hampahafantatra ny haikanton’i Madame Zo, anisan’ny sangany eo […]