Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft) Andavamamba, rahampitso, ny fampisehoana « Jam Session », iarahana amin’i Raul Rodriguez sy i Christian de Moret ary ny AF Jazz. Hetsika tafiditra anatin’ny «Semaine Flamenco de Madagascar », andiany fahenina. Seho avo lenta sy matihanina no entin’ny mpikarakara, miaraka amin’ireto vahiny mpanakanto manana ny maha […]
kolon-tsaina
Unesco – Harembakoka sy fahaiza-mahandro: natao tany Vatomandry ny « Lakozia mitety sekoly »
Babon’ny fahaizan’ireo ankizy nikarakara sy nahandro ny soanambo ny Cheffe Henintsoa sy ny mpikarakara… Nandritra ny hetsika “Lakozia mitety sekoly” tany Vatomandry no nahitana izany fanomezan-kasina ny harembakoka sy ny fahaiza-mahandro izany! Tanjon’ny “Lakozia mitety sekoly” (LMS) ny fanabeazana ny ankizy momba ny harembakoka fonosin’ny fahaizana nahandro malagasy. Manana endrika fifaninanana eny […]
TARATRY ny KANTO
Efa manana ny toerany ny gadona Reggea, raha ny eto Madagasikara, hoy ny tomponandraikitry ny “Fianara Reggea Festival”, hetsika natokana hanandratana ity gadona ity eto amintsika. Notanterahina tany Fianarantsoa, ny 29 hatramin’ny 30 marsa 2024, ity hetsika ity, raha tsiahivina. Maro ny mpankafy niatrika ary samy afapo ny rehetra. Hipoka […]
“Mifampitantana 2024” : samy afapo ny rehetra
Tontosa ny alahadin’ny Paka, teny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny « Mifampitantana 2024 ». Fampisehoana niarahana tamin’i Poopy sy Bodo. Seho feno ary matihanina tanteraka no hita teny an-toerana. Samy afapo ny rehetra, na ny mpikarakara na ny mpanakanto nandray anjara, na ny mpijery. Mbola tena maro mpankafy ary […]
Paka Antsirabe: mitoetra hatrany ny lazan’ny “Star Tour”
Tomefy olona hatrany! Tsy naharava ny fety ny orana latsaka fa nilanonana nandritra ny telo andro nisesy Antsirabe, nandray ny “Star Tour”. Efa tafapetraka ny anarana. Tsy afa-misaraka intsony amin’ny fetin’ny Paka, izay efa mahoraka hatramin’izay eto Antsirabe, ny “Star Tour”. Telo andro an-danonana, nanomboka ny sabotsy ka nifarana omaly […]





