Tsy an-kiato ny asan’ny borigady manokana misahana ny ady amin’ny hosoka amin’ny zavakanto sy ny vakoka na ny BAP. Nisy ny fandorana ireo vokatra hosoka notontosaina omaly, teny amin’ny fokontany Morondava. Kapila manodidina ny 5 000 isa eo, miampy an’ireo “décodeurs” tsy ara-dalàna toy ny “Hello box”, sns, no nopotehina […]
kolon-tsaina
Sarimihetsika « R+3 »: Mamaly ny fanontanian’ny maro ny andiany fahatelo
Fahatelo sady farany. Fotoana ela no efa nandrasan’ireo mpanaraka ny sarimihetsika « R+3 », ny andiany fahatelo, izay nivoaka nanomboka omaly. Ao mantsy ny valin’ilay misitery tsy naseho tsara hatrany am-boalohany. «The Judgement of Time». Izay no nampisalorana ny andiany fahatelo amin’ilay andiana sarimihetsika «R+3». Nalefa voalohany tao amin’ny Cinépax […]
TARATRY ny KANTO
Hivoaka tsy ho ela ilay boky « Kanton’ny taniko » O’Suzah-Barijaona, nosoratan’i Liva Ramorasata, mpampianatra sady mpikaroka eo amin’ny tontolon’ny mozika sy ny tantara. Boky mirakitra ireo hira miisa 21 novetsoin’ireo andrarezin’ny zavakanto malagasy ireo (O’Suzah-Barijaona). Anisan’izany ny « Avia hilalao », « Bako », « manimanina… Ahitana ihany koa ireo tantara nisongadina manokana tamin’ny fiainan’i Barijaona. […]
« Madagaslam Festival » : Hizara ny traikefany eto i Nico K
Vahiny manokan’ny « Madagascar Festival », amin’ity andiany faha-16 ity, i Nico K. Tonga omaly ity poeta, mpanao slam, mpanao rap frantsay ity, izay fanta-daza amin’ ny filalaovany ny teny. Nisokatra omaly mantsy ilay « Expoétique », etsy amin’ny IFM Analakely. Fampirantiana tsy mitovy amin’izay fahita fa anambaran’i Nico K ny fifandraisan’ny lahatsoratra sy […]
Tarika Zandry Gasy: Mirona kokoa amin’ny famoronana
« Vakoka sy soatoavina ». Izay no nampisalorana ny rakikira voalohan’ny tarika Zandry Gasy, satria nirafitra mba hamoha, hamelona ary hampahafantatra ireo hira ba gasy efa natory aman-taonany maro ny tarika, tany am-boalohany. 15 taona aty aoriana, mirona amin’ny fampahafantarana bebe kokoa ireo hira noforonin’ny mpikambana ny Zandry Gasy. Anisan’ireo efa fanta-daza […]




