kolon-tsaina

Tsy ho sakana ny fahavaratra : Hitohy hatrany ny adin-kiragasy

Iray amin’ireo fe-petra takin’ny fanaovana hiragasy ny fananana toetr’andro maina, noho izy tanterahina eny an-kianja. Ho an’ny eto an-dRenivohitra, hanao dingana lehibe ny tontolon’ny hiragasy. Ny nahazatra hatramin’ izay, vao tonga ny va­nim-potoanan’ny orana. Mitsahatra ny adin-kiragasy, satria, mikarakara ny eny an-tsaha ny mpihiragasy, sady ratsy rahateo ny lalana. Raha […]

H.D.A-Com/Nat.Unesco : Saba-droa lela ny fampiasana ny finday…

Nifarana omaly, ilay tetikasa momba ny fampiasana ny finday sy ny tambajotran-tserasera araka ny tokony ho izy, ho an’ny tanora. Notan­tera­hin’ny ONG Human Develop­ment Action (H.D.A) sy ny fandraisan’anjaran’ny Vaomie­ram-pirenena malagasy Unes­co (Com/Nat) izy ity. Lohahe­vitra telo lehibe no nofakafakaina sy nisintonana hevi-dehibe maro. Teo ny fi­tondran-tena manoloana ny fampiasana ny […]

Daty tokan’ny taom-baovao : Na hampihavana, na hampisaraka…

Nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta, ny 26 novambra. Daty tokana ny hanamarihana ny “Taombaovao Malagasy”. Tsy mora io. Asa goavana sy mafy ny miandry ny minisitera. Na tanteraka soamantsara ka hisy ilay “marimaritra iraisana amina daty tokana”, na hanamafy ny fisaraham-bazana efa misy. Niaraha-nahita fa nisy fifandonana ara-poto-kevitra goavana be teo […]

TARATRY ny KANTO

Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra ny fampitana am-bava avy amin’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina momba ny asa efa natao mahakasika ny fametrahana daty tokana hankalazana ny «Taom-baovao malagasy ». Manokatra lalana mankany amin’ny fametrahana ny fankalazana ny nentin-drazana ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama ma­nerana an’i Madagasikara izany. Mbola maromaro […]

Orinasa Star : Vokatra vaovao ho an’ny fetin’ny faran’ny taona

Volonandro fety! Antomo­tra ny volana desambra, ha­na­marika ny Noely sy ny faran’ny taona. Miomana amin’izany sahady ny orinasa Star ka ha­moaka zava-pisotro ma­my, ny divay Valmont sy ny Ca­price Noël ary ny labiera THB Noël. Karazana divay mena, avy any Espaina, ahitana tahan’alikaola ny Valmont, arotsaky ny orinasa Star Amba­tolampy […]