Hanampy isa ireo boky amboaran-tononkalo ny « Aza miova ». Mampiavaka azy ny lohahevitra voizina, mifototra amin’ny fahatsaran’Andriamanitra. Fandraisana anjara amina ezaka fanorenana fiangonana ihany koa. Tetikasa mitohy ny «Amboara fanarenana». Boky amboaran-tononkalo telo no kasain’ny mpanoratra Lolona Randriamampianina havoaka anatin’izany. Efa nivoaka tamin’ny taona 2022 ny «Miorena». Nampahafantarina voalohany […]
kolon-tsaina
Hiragasy goavam-be : Tolorana mari-boninahitra Ranoelison Ampahimanga
Hiavaka ny « Hiragasy goavam-be » hotanterahina amin’ny faran’ny herinandro izao. Adin-kiragasy sy fanolorana mari-boninahitra. Ny alahady 7 desambra izao, manomboka amin’ ny 10 ora maraina. «Hiragasy goavam-be» hikatrohan-dRanoelison Ampahimanga sy Rakotomalala René, hotanterahina eo amin’ny Kianjan’ ny hiragasy Ampefiloha. Nambaran’i Dadafara fa : «tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’io fotoana […]
TARATRY ny KANTO
Nankalazaina, omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny harembakoka mahakasika ny sarimihetsika sy ny haino vaky jery. Nisy ny fandefasana horonantsary fanadihadiana, niampy valandresaka mahakasika ny fikajiana ireo harembakoka ireo, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nandray anjara tamin’izany ireo mpisehatra matihanina toa an-dry Vero Rabakoliarifetra, Laza, anatole Ramaroson, Lova Randriambololonirina, izay samy […]
TARATRY ny KANTO
Volana desambra. Faran’ny taona. Vanim-potoana iray anisan’ny andrandrain’ny mpanakanto hahamaro ny hetsika kolontsaina handraisan-dry zareo anjara. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola hita taratra loatra ny fisian’izany, raha ny nambaran’ireo mpihira sy mpitendry zavamaneno ary ny mpandihy. Manana fanahiana ihany ry zareo, sao samy hampifaly ny tokantranony ny Malagasy, noho ny hasarotan’ny […]
Tontolon’ny hira malagasy : Ny mamerina no mahazo tombony ?
Famoronan-kira. Nahavita be ireo teo aloha… Nazoto nandimby ny taty aoriana… Dia variana teo. Nisy fiantraikany amin’ny tontolon’ny hira ity tranga ity… Na teo amin’ny isa na tany amin’ny kalitaon’ ny hira taty aoriana, nihena sy nidina be tao anatina fotoana fohy. Tranga nianjady tamin’ ny tontolon’ny hira malagasy izy […]




