kolon-tsaina

Fanabeazana : Nopotehin’ny ray aman-dreny ny tenin-drazana

Manana ny hasiny ny tenin-drazana. Ny fivelaran’io hasina io no manenika ny tontolon’ny fanabeazana ka mitondra mankany amin’ny « lala-marina ». Ny an’ny Malagasy tsy mba izay loatra… Eo anatrehan’ny ray aman-dreny, tsy lavitra fa ao an-trano… Zanaka tsy mahay miteny sy manonona ny tenin-drazany. Tanora mi­ambakavaka maneho hevitra amin’ny teniny. Ankizy […]

TARATRY ny KANTO

Hisy ny fampirantiana sary, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy. Hisokatra manomboka anio izany, hatramin’ny zoma 5 desambra ho avy izao. Ao anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo izy ity, ho fanehoana ny herin’ny asa an-tsitrapo eny anivon’ny fiarahamonina ireo sary nofantenana. Sary manaitra, feno hafatra, sy fihetseham-po, […]

Sehatra Bagasy volana desambra: Hotanterahina ny « Atrikefa famaranan-taona »

Raikitra! Hiavaka ny ha­ma­ranana ny taona 2025 ho an’ny Sehatra Bagasy sy ireo mpivoy sy mpanandratra ary mpikolokolo ny bagasy. Ho­tan­terahina ao amin’ny efitrano malalaka Aro Antsahavola ny « Atrikefa famaranan-taona 2025», ny sabotsy 6 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. «Hanamboarantsika fehezam-boninkazo ho an’ny taona 2025. Hiarahantsika […]

« Bâtir l’espoir » : Nivoaka nankany France ny bokin’i Viviane Rahariniaina

Fitaovana iray mahomby ho an’ny ady amin’ny tsy rariny anaty fiarahamonina ny boky. Mampibaribary ny zava-misy, saingy mamelombelona ny fanantenana ho an’ny hoavy tsara kokoa. «Bâtir l’espoir» na «Ma­nangana fa­nan­te­nana» raha adika malalaka. Tsy fintina fo­tsiny ny lohateny, fa maneho avy hatrany ny hafatry ny mpanoratra, Viviane Rahari­niaina. Nivoaka tamin’ny […]

Feno 80 taona : Mpanakanto feno i Nalisoa Ravalitera

Vitsy ny manan-talenta tahaka azy ! Saika tazana ao amin-dRabenalisoa Ravalitera Jean na i Nalisoa Ravalitera avokoa ny talenta kanto. Ny 28 desambra teo, tao amin’ny Ivokolo Analakely (efitrano Charles Ravaloson) no nanamarihana sy nankalazana ny faha-80 taonan’ity akademisianina andrare­zin’ny zavakanto ity. Noporofoina niaraka tamin’ireo nasaina tamin’izany fa sady poety izy […]