Tamin’ny alalan’ny tambatr’isa nomen’ireo olona mpanaraka na mpijery (voting public) ilay fifaninanan-kira « Our Generation » no nibatan’i Filamatra Matokia ny amboara, tany Kazan, any Rosia, ny faran’ny herinandro teo. Ilay hirany nampitondraina ny lohateny « Iray » no nohirain’ity solontenan’i Madagasikara ity teo anoloan’ny mpijery marobe sy ny mpitsara. « Nandresy aho! Nandresy niaraka […]
kolon-tsaina
Tambohobe – « Festisôva » 7 : « Tafita ny hafatra », hoy Randrianarivelo Hasina
« Ady amin’ny herisetra sy zava-mahadomelina ». Lohahevitra nosafidian’ny fikambanana Tambohobe novoizina nandritra ny hetsika « Festisôva » andiany faha-7. Nilaza ny vokatra Randrianarivelo Hasina, filohan’ny fikambanana… «Efa nisy ny andiany enina teo aloha. Tontosa ny andiany faha-7. Naparitaka sy novelarina bebe kokoa ny fampahafantarana ny hetsika Festisôva sy ny lohahevitra Ady amin’ny herisetra sy […]
TARATRY ny KANTO
“Ndao!”, iarahana amin’i Tovo J’Hay sy i Nate Tex. Anio ilay fotoana nomen’ireto mpanakanto ireto, iarahany an-tsehatra etsy amin’ny CCEsca Antanimena, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Seho mirindra no tanjona, satria hanaraka lohahevitra ireo hira alahatra, ka araka izay koa ny fiakarana an-tsehatra ifandimbiasana na iarahan’izy mirahalahy. Samy eny an-tsehatra […]
Famaranana ny « Festisôva » : hiaka-dapa ireo mpanao vakisaova
Fotoan-dehibe ho an’ny vakisaova, anio. Hiakatra etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina ireo tarika maro mpiangaly izany, mandritra ny tontolo andro. Hetsika famaranana ny andiany fahafito amin’ny «Festisôva », izay karakarain’ny fikambanana Tanora mbola ho beazina, na Tambohobe izany. Tarika maro avy amin’ireo fokontany eto Antananarivo sy ny manodidina […]
Canada : tafajoro ny sampana Havàtsa-Upem
« Am-pifaliana no ilazana aminareo fa tafajoro soa aman-tsara androany 13 novambra 2024 ny Sampana Havàtsa-Upem Canada », hoy i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy. Araka ny tatitra nataony hatrany, voafidy ho filohan’ity sampana faha-12 eo anivon’ny Havàtsa-Upem ity i Lila Ratsifandrihamanana. I Bary Randresy no sekretera jeneraly. […]