kolon-tsaina

Toamasina – « Metalscene Beasts » : Seho miaraka amin-dry Nocturnal sy Mania

Tontolon’ny mozika rock sy metaly. «Metalscene Beasts», fampisehoana hotanterahin’ny Nocturnal sy Mania, any Toamasina, ny alahady 30 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Ao amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny sekoly Sacré Coeur, Tanambao no hanaovana izany. Nocturnal sy Mania, tarika roa anisan’ny manana traikefa matanjaka eo amin’ny fitondrana eny […]

Teatra, hira, dihy, saripika… Nodimandry i Mamy Rakotoarimalala

Anisan’ireo mpahay kanto marolafy i Mamy Rakotoarimalala. Nisongadina kokoa izy teo amin’ny tontolon’ny teatra sy ny dihy, hatrany ivelany izany. Nodimandry teo amin’ny faha-86 taonany ity mpanakanto ity. Andrarezin’ny kanto ma­la­gasy iray indray no lavo. Nodimandry, oma­ly, i Mamy Rakotoarimalala, mpanakanto nanan-talenta marolafy, ka nanamarika ny tontolon’ny zavakanto nandritra ny […]

TARATRY ny KANTO

Anisan’ny adin-kiragasy goavana indrindra hatramin’izay. Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Ra Petit, ambadiky ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny alahady 30 novambra izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina, ny « Hiragasy makotroka ». Hikatroka amin’izany ny tarika Rasoalalao Kavia avy any Ampa­himanga sy ny tarika Fredy Kely avy any Imerin­tsia­tosika. Tarika roa samy manana ny […]

Collection Vakoka : Boky roa ho an’ny tanora

« Jean-Joseph Rabearivelo, un poète entre deux mondes » na « Poeta miroa tontolo », sy « Jacques Rabe­ma­nanjara, poète engagé » na « Poeta sy mpitolona ». Boky roa vaovao, saingy miresaka ireo andrarezin’ny literatiora malagasy, nametraka ny diam-peniny holovain’ny taranaka. Izay indrindra ny tanjon’ny Collection Vakoka tamin’ny namoahana ireto boky ireto: hampita amin’ny tanora ny mombamomba […]