Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nampahafantarana ny mahakasika ny fampisehoana ho ataon’i Franglish eto Madagasikara. Hiavaka ary tena goavana ny fampisehoana, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Hanatanteraka fampisehoana lehibe eny amin’ ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 22 septambra 2024, i Franglish. Teratany frantsay mpanakanto izy, ary […]
kolon-tsaina
Mpitendry, mpamorona, mpikarakara hetsika: vonona ny hanohy ny lalany i MC Dinah
Randrianarisoa Dinah, fantatra amin’ny anarana MC Dinah eo anivon’ny tontolon’ny hira sy ny fitendrena gitara ary ny famoronana. Taona 2016, nifoha ny aingam-panahy hoentiny mamoron-kira. Nohalalininy ihany koa ny fomba fitendrena ny gitara. Voaforony ny « Let’s sing together », hira voalohany. Noho ny fifampikasohany tamina mpanakanto hafa, tahaka an’i Fy Rasolofoniaina, Eddie […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Ikm Antsahavola, ny atrikasa fifampizarana mahakasika ny fanaovana sary Varatava. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Iray volan’ny Varatava » izy ity. Matihanina, vao misandratra, ary ireo maniry hisehatra eo amin’io sehatra io no andrasana amin’izany. Hiditra amin’ny andiany faharoa ny « Temps Fort Danse”. Taorian’ny fahombiazana nandritra ny […]
Sinema Malagasy : zavakanto feno ny horonantsary « Domboeza »
Ankoatra ny fampialana voly. Mitondra fahalalana vaovao sy mamelona indray ireo kolontsaina malagasy, avy any amin’ny faritra ny “Domboeza”. Izany indrindra no ilazana fa feno tanteraka ny fepetra maha zavakanto azy. Hisy ny fandefasana ny horonantsary fanadihadiana « Domboeza », ao amin’ny Alliance Française d’Antsiranana, ny 22 Aogositra 2024. Araka ny nambaran’i […]
TARATRY ny KANTO
“Hosotra-Festival d’arts”, atao etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely, hatramin’ny 14 septambra 2024 izao. Hetsika ara-javakanto fanaon’ireo mpiangaly hosodoko. Fotoana ahafahan’ny ianakaviamben’ity zavakanto ity mihaona. Fotoana hampirantiana asa tanana sy hanaovana atrikasa ary fifaninanana eo amin’io sehatra io. Asa tanana hosodoko. Ampirantiana hatramin’ny 23 septambra, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, ireo asa […]