kolon-tsaina

Mbola mahazaka sehatra: hitohy ny « Pao-tsatroka ho an’i Henri Ratsimbazafy »

Nakotrokotroka ny fankalazana ny faha-90 taonan’ i Henri Ratsimbazafy, tamin’ny taon-dasa. Ankoatra ny fo­toam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andria­manitra, nahatontosa seho vi­tsivitsy ihany koa izy. Tsy teto an-tanindrazana ihany fa nisy koa ny fihaonany tamin’ireo mpankafy tany Frantsa, ny volana oktobra lasa teo. Nambara tamin’izany fa iny no seho hataony farany any Frantsa. […]

« Festival Jazz Tohatohabato »: hanomboka anio, amin’ny alalan’ ny « Jazz Kids », ny hetsika

Miditra amin’ny andiany faha-13 ny hetsika « Festival Jazz Tohatohabato ». Samy hankafy sy hahazo anjara ny rehetra, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Ireo ankizy no hisantatra izany. Tanterahina anio, eny amin’ny Tranompoko­nolona Analakely, ny «Jazz Kids». Hetsika tafiditra ao anatin’ny «Festival Jazz Tohatohabato», andiany faha-13. Sehatra natao ho an’ireo ankizy […]

« Gourmand World Cookbook Awards » Misolo tena ny Malagasy ny boky «Haka fy tsiro»

Nampahafantarin’ny tomponandraikitry ny fifaninanana « Gourmand World Cookbook Awards », omaly, ireo boky voasokajy hiatrika ny fifaninanana amin’ity taona 2024 ity. Tafiditra ao anatin’izany ny boky nosoratan’i Henintsoa Moretti, Malagasy miangaly ny sehatry ny haify. « Haka fy tsiro » no lohatenin’ity boky ity, ahitana nahandro maro samihafa mampiavaka ny Malagasy. Ao anaty […]