kolon-tsaina

Fandriampahalemana : Hisy fifaninanana ara-javakanto ho an’ny tanora

Ny zon’olombelona no fo­totra tokony hananganana ny fandriampahalemana. Manodidina izany indrindra ny lohahevitra tiana hasongadina amin’ilay fifaninanana ara-javakanto ho an’ireo tanora 18 hatramin’ny 30 taona. Tafiditra anatin’ny tetikasa « Rary Aro Mada » izy ity. Mety avokoa na asa soratra na « podcast » na kanto hafa maneho ny lo­hahevitra no halefan’ireo tanora hifaninana. […]

Madagasikara: Ny fototra mihitsy no mikorontana

Samy manana ny tantarany ny firenena tsirairay. Tsy navelan’ny vahiny hahalala ny azy ny Malagasy. Maro ny fiantraikan’io tranga io eo amin’ny fiarahamonina hatramin’izay ka mandraka ankehitriny. Fandaharam-pianarana, tsy mandeha amin’ny laoniny. Fahafantarana an’i Madagasikara, tsy mitombina araka ny tokony ho izy. Tantaran’ity Nosy ity sy ny mponina ao aminy, […]

TARATRY ny KANTO

Nodimandry i Clément, mpikambana ao amin’ny tarika Fandrama. Mahay an’i Clément Manifatra Jean avokoa ireo mpanakanto, ary samy naneho ny alahelony raha naheno ny fahafatesany, omaly. Any Nosy Be ny razana, hoy i Fandrama. Mpihira aman-taonany tao aminy ity mpanakanto nodimandry ity, ary efa nitety an’i Madagasikara sy firenena maro. […]

Horonantsary «Debout! »: Nisongadina tamina « festivals » telo tany Londres

Niampy iray indray! Ni­songadina nandritra ny « Wine Dark Short Film Festival London » ilay horonantsary « Dé­bout! » an’i Felana Rajao­narivelo. Nahazo ny « Ho­norable Mention » niampy ny fankasitrahana manokana avy amin’ny mpitsara ity horonantsary malagasy ity, tao amin’ny « Categorie Best Disa­bility Narrative ». Fanin­telony izao no nisongadina tamina « festival » tany […]