Nifamory maika tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto, Mahamasina, omaly ny mpanakanto. « Andriamatoa Filoham-pirenena, ianao no filoha ambonin’ny Tafika. Mijoro izahay artista, izay tsy misy raha tsy ny vahoaka. Nahita ny zavatra nitranga teny an-kianja izahay nialoha izao. Anisan’ny niadivanao ny fahafahana amin’ny fanehoan-kevitra, mangataka anao manokana izahay, sokafy ho an’ny tanora, […]
kolon-tsaina
Fanabeazana iombonana: Tsy tokony ho zarina sy tezaina amina « fety » ny tanora
Tsikaritra fa manomboka mahazo vahana ny dika vilan’ny « fialamboly ». Tsy tahaka ilay niforonany tany am-piandohana fa nanjary naka endrika « fety ». Fandrebirebena sy famotehana ny hasina maha olona ? Fahiny, raha niala voly vokatry ny asa (nanenona, namboly…) ny Malagasy. Nanao izay ahazoany aina sy fahalalana vaovao sy hafa tamin’ny alalan’ireo lalao […]
Fanabeazana maha olona: Mila fanarenana goavana ny fianarana ny teny malagasy
« Ny fanahy no olona ». Ny olona, anefa, mila beazina. Ny mpanabe, maro. Ny akaiky indrindra amin’ireny, ny teny. Raha ho an’ny teny malagasy manokana, tsy hita taratra loatra ny fandraisan’anjarany amin’ny fanabeazana ho olom-banona ireo taranaka Malagasy. Na, ilay teny, manimba, na vao mainka mampidi-kizo ny Malagasy ny fampiasana azy, […]
TARATRY ny KANTO
Nanakanto, manakanto ary mbola hanakanto… Maneran-tany, samy miandrandra ny ho any amin’ny tsaratsara kokoa hatrany ny tsirairay, amin’izao vanim-potoana izao. Tokony ho tahaka izany ihany koa ny zavakanto sy ny tontolo misy azy. Mikatsaka ny kanto sy manatsara ary mampivelatra izany andro aman’alina. Tsy ho tonga ho azy anefa izany […]
« Fifaninanana Cape Town Showdown » : Manana solontena ny Tekken Madagascar
Tsy mena-mitaha amin’ireo tanora maneran-tany ny tanora malagasy, amin’ny lalao Tekken. Porofon’izany, manana solontena telo be izao, mandritra ny « Cape Tozn Shotdown » ny ekipa SLY, ahitana an’i Nioh, Manounou ary i Haja. Efa any Afrika Atsimo izy ireo, miatrika ity fifaninanana iraisam-pirenena, izay « Tekken World » aty […]




