kolon-tsaina

Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy : Omena vahana ao anatin’ny herinandro ny fiofanana

Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy, fanao isan-taona, i Madagasikara. Amin’ity taona 2025 ity, tsy ao anatin’ny indray andro tahaka ny natao hatramin’izay ny hetsika hotanterahina fa herinandro. Ny 22 avrily, hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy. Tsy ao anatin’ny andro iray […]

TARATRY ny KANTO

Seho roa ho an’ny tarika Filah. Ny 1 mai amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Chez Baba Isoraka. Vahiny nasaina manokana i Belahy. Ny 3 mai amin’ny 2 ora tolakandro « Revy glita », ao amin’ny Chez Food by Valimbavaka Anosivavaka Ambohimanarina. Tafaraka amin’ny tarika Filah amin’io i Belahy sy Hery Vaika. […]

Seho miavaka: Hiaka-tsehatra any Itavo Belazao ny Bira Ti’Art

Hiaka-tsehatra ao amin’ny EPP Itavo, kaominina Bela­zao, Antsirabe, ny tarika Bira Ti’Art, ny alahadin’ny Paka izao. Hiavaka izany satria hifangaroan’ny seho samihafa eny an-tsehatra. Nambaran’ny eo anivon’ny tarika Bira Ti’Art fa ho hitan’ireo mpijery any an-toerana ny hira sy ny dihy mirindra ary ny fampihomehezana. Manampy izany koa ny “Comedie […]

Andro maneran-tany : Tsy misongadina ny zavakanto

Nankalazaina, omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny zavakanto. Ho an’i Madagasikara manokana, nangingina ny fankalazana. Ny ankamaroan’ny Malagasy aza tsy nahafantatra ny fisian’io andro natokan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana (Unesco) ho an’ny kolontsaina io. Tsy nisy ny hetsika nisongadina. Tranga ahafahana mitaratra fa tsy mbola […]

97 taona omaly ny mpanakanto zokiny indrindra : Tsy afa-miala amin’ny «sérénade» ny anarana Fidimalala

Anisan’ny vanim-potoana tsy azo lalovam-potsiny ny nampiroborobo ny « sérénade » ho an’i Madagasikara. Ny tranga nisy teto Antananarivo no tena nisongadina indrindra niaraka tamina mpihira sy mpitendry gitara toa an’i Fidimalala. Ho an’ny mpikaroka sy mpandinika ny fivoaran’ny hira malagasy. Rafi­dimalala Robert na i Fi­di­malala no mpanakanto (mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno, […]