kolon-tsaina

Fifaninanana « Moor1ng »: Hitiliana izay solontena malagasy

Efa lasa lavitra koa ny Malagasy amin’ny « jeux vidéos ». Hotontosaina ny 28 hatramin’ny 30 aogositra ho avy izao ny « Moor1ng », etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Ity fifaninanana ity no hitiliana izay ho solontenan’i Madagasi­kara any amin’ny « Tekken World World Tour », izay hifandonan’ireo tompondakan’ny firenen-drehetra handray anjara. Nampahafantarina tetsy amin’ny Yas Madagascar […]

« Manal’azy » andiany faha-35 : « Hatao andro mazava », hoy ny Olombelo Ricky

Hahemotra ny 1 aogositra izao. Izay no tapaka taorian’ny tsy nahafahana nanao hetsika ny alin’ny zoma 24 jolay teo, noho ny fisaonam-pirenena. «Hatao amin’ny andro mazava mba hi­alana amin’ny re­saka lavabe mahakasika ny fandriampahalemana», hoy ny nambaran’ny Olombelo Ricky, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Hôtel de l’Avenue, […]

Sehatra bagasy « Zafy manahaka » : Hitambatra ny atrikefa sy ny zarasehatra

Hiova amin’ny mahazatra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Sehatra Ba­gasy ny volana aogositra izao ny Atrikefa/Zarasehatra « Zafy manahaka ». Hotanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro An­tsa­havola, ny sabotsy 8 aogositra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, izany. Seho sy fifanakalozana hotontosain’ireo zafin-dRako­toarisoa Ar-Well, mpitendry raikitry ny tarika […]

Rock mavesatra : Hankalaza ny faha-45 taona ny tarika Tselatra

Anisan’ireo tarika zokiny nivoy ny rock mavesatra teto Madagasikara ny tarika Tselatra. Mbola manohy ary mbola arahin’ny mpankafy hatrany. Hosokafana etsy Antsahamanitra ny fankalazana. “…Tia anao foana”. Io no nosafidiana ho lohatenin’ny fampisehoana hataon’ny ta­rika Tselatra ny alahady 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora, etsy Antsaha­manitra. Ivon’ny fanamarihana ny […]

TARATRY ny KANTO

Nomarihina omaly ny faha-30 taonan’ny Aceem Radio. Onjampeo miompana amin’ny fanabeazana sy ny fampiroboroboana ny kolontsaina izy ity. Tonga nanatrika ny fankalazana, teny amin’ny foibeny eny Faravohitra, ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa. Ankoatra ireo fandaharana mahakasika ny fanabeazana, mampiavaka ny Aceem Radio ny famokarana tantara […]