Dingana lehibe ho an’ny tontolon’ny sinema malagasy izao nahavoatendry an-dRazanajatovo Laza ho mpitsara amin’ny hetsika lehibe manana ny maha izy azy maneran-tany izao. Navoakan’ny mpikarakara, omaly, ny anaran’ ireo ho mpitsara ny « Festival de Locarno” andiany faha-77. Anisan’ny mandrafitra ireo vondron’ny mpitsara amin’izany Razanajatovo Laza, talen’ny Rencontre de Film Court […]
kolon-tsaina
Fampianarana: mila omena vahana ny fomba…
… Simba noho ny tsy fahalalam-pomba ny fiarahamonina malagasy. Anisan’ny olana goavana nahatonga izany ny tsy nampitan’ny raiamandreny ny fomban-drazana, ny fomban-tany, ny fombam-piarahamonina, sns, taty amin’ny taranaka mandimby. Ny ankehitriny, rahateo, kamo mikaroka, malaina ny hianatra. Anisan’ny fanarenana mila ampiharina eto Madagasikara ny fanovana ifotony ny fandaharam-pianarana any an-tsekoly. […]
Erick Manana sy Jenny Fuhr : 15 taona tao anaty tsikombakomba mozika
Homarihina amin’ny seho goavana ny 15 taona niarahan’i Eric Manana sy Jenny Fuhr miasa. Fotoana hiverenana amin’ny hira nanamarika ny fampiaraham-peon’izy ireo izany. “2 Cv an-dRandria”. 13 taona lasa izay no nivoahan’io hira io. Hira nanamarika voalohany ny fampiarahana mozika teo amin’i Erick Manana sy i Jenny Fuhr izany. Efa […]
« Prix RFI Théâtre 2024 »: miakatra ny lentan’ny fahaiza-manaon’ny Afrikanina
Amin’ireo firenena 16 nandray anjara amin’ny fifaninanana “Prix RFI Théâtre 2024”, avy eto Afrika avokoa ny antsasa-manila. Taratry ny fivoarana sy ny fandrosoan’ny zavakanton’ity kaontinanta ity izany. Piesy teatraly miisa 13, tamin’ireo 138 nandray anjara no voatazona hifantenana izay handrombaka ny amboaran’ny « Prix RFI Théâtre 2024 ». Ny lanonana fanolorana ny […]
“Manala azy Tanora zokiny” : fotoana faharoa homen’ny tarika Olombelo Ricky
Roa isan-taona ilay fotoan-dehibe. Efa tontosa ny voalohany, ny “Manala azy vita bacc”. Ho avy kosa ny “Manala azy Tanora zokiny”, ho famaliana ny fangatahan’ny mpankafy maro. 33 taona ny nisian’ny “Manala azy vita bacc” an’ny Olombelo Ricky. Izy no namorona ny hetsika sy ny anarana, na dia maro mpampiasa […]