Tsy ho an’Antananarivo ihany. Hivelatra ho an’ny mponina eny Bemasoandro ny « Festival An’Tsary Doc Mada », andiany fahatelo, izay hanomboka rahampitso. Hatokana ho an’ny horonantsary fanadihadiana, izay foronina kanefa mifototra amin’ny lohahevitra misy sy iainana ny « Festival An’Tsary Doc Mada ». Nampahafantarin’ny mpikarakara, omaly, ny andinindininy momba izany, tetsy amin’ny IFM Analakely. […]
kolon-tsaina
Lamaody sy filatroana : Nodimandry Raman
Fantatra teo amin’ny tontolon’ny filatroana sy ny famoronan-damaody i Mandresy Razafindrakoto na Raman. Nodimandry ny talata teo, rehefa avy nolazoin’ny aretina nandritra ny taona maro izy, araka ny nampitain’ny fianakaviany. Mpilatro nanomboka ny taona 1995, ary anisan’ireo voalohandohany nitondra fivoarana ho an’ity sehatra ity Raman. Izy rahateo no voafidy ho […]
« Indray andro hono… » : Tsy ho hita anaty fanabeazana intsony ny angano
Tahaka ny firenen-drehetra maneran-tany. Manana ny fomba hitaizany ny taranany ny Malagasy. Iray amin’ireny ny fitantarana angano. Nihavery tsikelikely anefa izany… Afaka dimy taona, tsy ho heno intsony anaty fanabeazana izy io. Indray andro, hono… Tsy hahafantatra intsony izay momba ny angano nisy teo amin’ny tanindrazany ny Malagasy. Araka ny […]
TARATRY ny KANTO
Fianarana teny malagasy. Mbola maro ny fanarenana miandry. Mila miditra bebe kokoa any amin’ny fitsipi-panoratana ny fandaharam-pianarana amin’ny taranja malagasy. Efa maro rahateo ny fikarohana vita momba azy io ka mila havoaka sy hampitaina amin’ireo taranaka mifandimby. Averina sy hamafisina ny famakian-teny, satria, tanora malagasy maro be, ankehitriny, no tsy […]
« Indray andro any » : Hip-hop hitaizana ny tanora voafonja
Efitrano fandraisam-peo any amin’ny toby fanarenana. Tetikasa efa ela izao tontosa izao, ho an’ny fikambanana Ekah Madagasikara. Napetraka ao amin’ny toerana misy ireo tsy ampy taona, ao amin’ ny fonjan’Antanimora izy ity. Misy asa maro ao ambadiky ny Hip-hop. Azo atao fitaovana hampiatiana ireo tanora avy solafaka koa izy. Hialana […]




