Iray amin’ireo miteraka fivelarana eo amin’ny zavakanto ny fanehoana voka-pikarohana. Tari-dalana sy fototra hoenti-miainga izy ireny. Mety hitondra fahalalana lehibe ihany koa. Tao anatin’ny 30 taona niorenany, namolavola mpikaroka maro momba ny zavakanto ny Zanabaliha sy ilay foibe fampianarana sy fikarohana « Valiha Académie » eo ambany fiahiany. Tapaka, nandritra ny fihaonana […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Famokarana faobe, tonga ao Vangaindrano. Tonga soa aman-tsara ao Vangaindrano ary hanaovana ny famadihana faobe ireo taolambalo miisa 1 080, an’ireo antesaka monina tany Maintirano sy Morafenobe, any Melaky. Vokatry ny fiaraha-mientan’ny fikambanana Tesaka mirary le, miray marigny, no nahafahana nitondra ireto taolambalo ireto. An’ireo antaisaka izay valovotaka tany Melaky […]
Fikambanan’ny mpivaro-boky : Manameloka ny nahazo ny Lecture & Loisirs
Iray tamin’ireo voaroba, ny harivan’ny alakamisy teo, ny fivarotam-boky Lecture & loisirs, etsy amin’ny Tanà Water Front Ambodivona. Nanameloka ny ankasomparana miendrika fandrobana izay natao tamin’ny namany ny fikambanan’ny mpivaro-boky eto Madagasikara (AEdiM). « Melohinay ny fandrombana nahakasika orinasa maro, izay manampy trotraka ny fiainana andavanandro efa mahakivy ny tsirairay. Voatohintohina […]
North & Center-30 taona: Hahemotra ny fankalazana
Mbola noho ny toe-draharaha ihany… Hatao foana ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny tarika North & Center, saingy hahemotra ilay seho goavana tokony hotontosaina ny 5 oktobra izao, ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. “Marihina fa manan-kery avokoa ny tapakila rehetra ho an’ireo izay efa nahazo”, hoy ny nambaran’i […]
«Tremplin Madajazzcar 2025 » : Nisongadina tamin’ny maro ny Vahandanitra
Sehatra iakaran’ny talenta vao ihany koa ny « Madajazzcar » hatramin’izay. Nivoaka tamin’ny fifaninanana teto Antananarivo ny tarika Vahandanitra. Nisongadinan’ireo tanora mpitendry kosa ny tany Toamasina. Miato ny hetsika « Madajazzcar 2025 ». « Ny fandriampahalemana aloha no vaindohan-draharaha », hoy ny nambaran’ny filohan’ny komity mpikarakara, Jackie Ranarison. Na izany aza anefa, tontosa ny faran’ny herinandro […]




