kolon-tsaina

Sinema Malagasy: manomboka maka ny toerany ny tanora

Tanora Malagasy, mpanatontosa horonantsarimihetsika Randriamiharisoa Fanasina. Mpandresin’ny fifaninanana «Madagascourt Film Festival» (MFF), andiany faha 19, tao amin’ny sokajy nasionaly, ta­min’ny alalan’ny «Engrena­ge», horonantsarimihetsika notontosainy, no tena nahafantarana azy. Efa mpankafy ny tontolon’ny fanatontosana horonantsary hatramin’izay Randriamiharisoa Fanasina. Maro ny dingana efa nolalo­vany, ary anisan’ny nofinofiny hatramin’izay ny fandraisana anjara amin’ny […]

Tsy mety mandroso: firenena « Be tokony… » i Madagasikara

Manan-karem-be i Madagasikara… Noho izany, tokony manan-karena ihany koa ny Malagasy monina eo amin’ny. Be loatra ny soatoavina malagasy no niova endrika. Tokony harenina izy ireny… Rakotra « tokony » ny fiainan-dRamalagasy. Efa ela no nandrenesana fa “tokony” ho sivanina ihany ny tazan’ny maso sy ren’ny sofina amin’ny Televiziona sy […]

Rap Gasy : tafaverina indray ny « Fantsy line »

Fifaninana anisan’ny nanamarika ny taona 2013 tany ho any ny « Fantsy line ». Tafaverina indray izy ankehitriny, amin’ny endriny nohatsaraina amin’ny maha fifaninanana ara-javakanto azy. Hotanterahina ny 27 jolay 2024, eny amin’ny PK 0 Soarano, ny dingana famaranan’ny « Fantsy li­ne 2024 ». Mandritra ny tapany voalohany, ao anatin’ny hetsika “Urban mood”, no hanaovana […]

Reko Band – 5 taona : seho alohan’ny farany eto Antananarivo

Anatin’ny ivon’ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny Reko Band amin’izao fotoana izao. Maro ny karazan-tseho efa tontonsa, tamina toerana samihafa arakaraka ny filan’ny mpankafy. Hafa noho ireo efa nisy ity hotontosaina etsy amin’ny La Balançoire ity, ny alakamisy iray aogositra, manomboka amin’ny 7 hariva. Fotoana hizaran-dry Fy ny sanganasany manakaiky kokoa […]

Faribolana Sandratra : hanolotra ny «Telolafy» i Aro sy i Gazela Meva ary i Irà

Mpanoratra samy manana ny mampiavaka azy. Tsy hanalavitra izay ihany koa ny antsan- tononkalo hotanterahin’i Aro sy i Gazela Meva ary Irà, ny faran’ny herinandro izao. Haneho ny maha izy azy ny tsirairay. «Telolafy», io indray no lohatenin’ny antsan-tononkalo hotanterahin’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) tohatohabaton’Antaninarenina, ny 27 […]