kolon-tsaina

Seho faran’ny taona any Paris: Mpitendry eto sy any no hiaraka amin’i Rossy

Raha mbola fety gasy any Frantsa, anisan’ny be mpiandry indrindra ity. “Bapampa Réveillon”, izay iarahana amin’ny tarika Rossy iray manontolo, ao Paris! Hiara-dia amin’i Rossy ireo mpitendry notsongainy manokana tamin’ireo mpanao hiragasy malaza, toy ny avy amin’ny tropin-dRamili­son, Razakason, Rainitelo, sns. Manampy izany ireo mpitendry efa tao anatin’ny tarika Rossy, […]

« Prix Paritana » : hiditra amin’ny andiany fahasivy ny hetsika

Fanararaotra lehibe ho an’ny Malagasy mpanakanto sy ny mpanakanto monina eto Madagasikara ny “Prix Paritana”. Hisy ny fanohanana amin’ny lafiny rehetra ho an’ireo tompon’ny tetikasa voafidy ho mpandresy. Nanambara ny mahakasika ny fisian’ny fifaninanana “Prix Paritana 2025” ny mpikarakara ity hetsika ity, omaly. Fifaninanana karakarain’ny Fondation H ho an’ny Malagasy […]

« Misiterin’ny farihy Tritriva »: Mamolavola horonantsary ny tomponandraikitra

Ao anatin’ny fanomanana ny fanatontosana ny horonantsarimihetsika « Ny Misiterin’ny farihy Tritriva » ny trano mpamokatra CSP Films Madagascar amin’izao fotoana izao. Nisy ny valandresaka natao ho an’ny mpanao gazety nataon’izy ireo ho fampahafantarana izany. Tao anatin’izany no nampahafantarana ny fisian’ny antso ho an’izay maniry ho mpilalao ao anatin’ny horonantsary. Hanomboka ny […]

Kolontsaina malagasy 2025: Ilaina amin’izay ny manangana tsenabe

Hivalona afaka andro vitsy ny taona 2024. Maro ny vita? Mbola misy ny miandry? Anisan’izany ny fananganana habaka hoenti-mifandray sy mampahafantatra ary mivarotra ny kolontsaina sy ny zavakanto. Mbola maro rahateo ireo firenena tsy mahalala fa manan-karena kolontsaina ity Nosy ity. Mbola mijanona eo amin’ny fampisehoana na fampirantiana ihany aloha […]