kolon-tsaina

Ho an’ireo tsy mahay mandaha-teny : Namoaka ny « Mikabaria » Ramarolahy Maholy Nirilala

Hoy ny Mpitandrina Ravelojaona hoe: « Ny mpanoratra boky dia mpampianatra sy mpitari-dalana ». Ni­voaka tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 25 jolay 2026, tao amin’ny tranombokim-pirenena Anosy, ny boky voarakitra anatina takila 83 pejy mitondra ny lohateny hoe : «Mika­ba­ria». Boky talaky mandehan’ny kabary, nosoratan-dRamarolahy Maholy Nirilala, mpampianatra, mpanoratra sady mpikabary voarabe Fimpima. […]

Fampahafantarana boky: Mpanoratra telo, hizara ny niainany

Boky telo, mirakitra tantaram-piainana telo. Ny itoviana, samy niainan’ireto andriambavilanitra ireto ny aingam-panahy anatin’ireo vokatra. Ary raha havadika ho boky ny tantara niainana? Tsy nijanona ho tetikasa fa tena notontosaina ny an’i Viviane Rahariniaina, Lova Fanambinasoa ary Marianne Razaf. Tantaram-piainana tsy misy mitovy akory, saingy samy nosoratana andriambavilanitra malagasy, mila […]

« Revirevy mody masoandro » : Ireo mampiray no nozaraina maro

Mahaleo, Lolo sy ny tariny ary Samoëla. Tamin’ny ankapobeny, ny mampiray ireo ta­rika ireo no nozaraina maro indrindra teny amin’ny anka­lamanjanan’ny CCI Ivato, omaly, nandritra ny fampisehoana « Revirevy mody ma­soandro ». Anisan’ireny ny feon-gitara, tononkira mampita hafatra goavana be, revy… Nohamaroina ireo hira nohi­raina niaraka. Nampanantena revy milay i […]