kolon-tsaina

Toekarena sy kolontsaina : raikitra ny « Festival Voasary »

Ho fanoitran’ny fampandrosoana, hanamafy ny fihavanana… Ho tafara-dalana ao anatin’ny « Festival Voasary » ny kolontsaina sy ny toekarena tanterahina any Antsatramidola Andoharano, distrikan’i Mandritsara. Ny 2 ka hatramin’ny 4 ao­gositra izao, hotanterahina ao amin’ny kaominina Antsatramidola Ando­harano, anatin’ny distrikan’i Mandritsara, Faritra Sofia, ny andiany voalohany amin’ny « Festival Voasary ». Raha […]

Rehefa fady dia fady : mila omen-kasina indray ny ankohonana

Tsy mandeha amin’ny laoniny ny fiainam-piarahamonina malagasy. Tsy manaraka intsony ny lamina voajanahary, ny zava-misy. Voasarontsarona amin’ny « lafo ny fiainana », fa tsy misy sahy mampibaribary ny fototry ny olana… Tranga misy any amin’ny ankohonana malagasy maro. Ray niteraka tsy mendrika ny ho fitaratry ny zanany. Reny nitondra sivy volana an-kibo, […]

Marinna Lemary : niverina ho Arnaah…

Safidy goavana! Fa manana ny antony azy manokana, izay tsy mbola nambarany aloha hatreto i Arnaah. Eny, niverina ho Arnaah indray ny anarana entin’ity mpanakanto ity an-tsehatra, ary manaporofo izany ilay rakitsara vaovao, navoakany omaly. “Mavandy” ny loha­teniny, izay hira noforonin’i Nofar Tafara, natao hifanaraka amin’ny feo sy ny gadona […]

Madagaslam Section Tanà : manomana fifaninanana samihafa ny fikambanana

Zavakanto anisan’ny maro mpankafy sy miroborobo ny “Slam poésie”. Tsy mikely soroka ihany koa ireo tomponandraikitra manatevina ny fahaiza-manaon’ireo liana amin’izany. Mikarakara hetsika momba ny « Slam Poésie », eny amn’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Analakely), ny Mada­gaslam Section Tanà (MST). Hetsika natao ho an’ny mpiangaly Slam poésie, indrindra ireo vao misandratra. Tanjona ny […]

TARATRY ny KANTO

“Stand-up comedy”, miaraka amin’i Raytra Belaw’yck. Raikitra fa hatao isaky ny sabotsy hariva, amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora, eny amin’ny 306 Manakambahiny ity endri-tseho hatsikana iray ity. Mpanao hatsikana anisan’ireo miaka-daza amin’izao fotoana izy, noho ny fahaizana mihazona ireo mpijery mandritra ny fotoana maharitra. Samoëla Ranoiray, etsy amin’ny Piment […]