kolon-tsaina

Fianarana Teolojia : Nosokafana ny taom-pianarana vaovao

Notanterahina ny sabotsy teo, tetsy Ambatonakanga, ny fotoam-pivavahana nanokafana ny taom-pianarana vaovao ho an’ny sekoly ambony momba ny teolojia sy ny hay fivavahana (Esther). “Antoky ny firenena tsara tantana sy ny fierenandoha ara-toekarena eto Madagasikara ny fianarana ny teolojia”, hoy Randriamampionona Alfred, talen’ny ivontoeram-pampianarana. “Manampy amin’ny famolavolana ny olom-pirenena ho […]

TARATRY ny KANTO

Fifaninanana “Tafan-gilita”. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ny “Prime 3” amin’ity fifaninanana tendry gitara ity. Hiova toerana izany, satria hatao ankalamanjana, eny amin’ny Kianja Maitso Anala­mahitsy. Mba hizaran’ireo mpifaninana sahady ny karazan-tsehatra no antony, no hahafahan’ireo mpanotrona mba manohana bebe kokoa ireo mpifaninana ihany koa. Hizara ny traikefany […]

Opération Bokiko : Hisy atrikasa ho an’ireo te hanoratra boky

Maro ny manan-talenta amin’ny asa soratra. Tsy ny re­hetra anefa no nahavita ma­moaka izany ho boky. Ho fa­nampiana ireo manam-paniriana hamoaka ny asa sorany ho boky, mikarakara andiana atrikasa ho azy ireo ny Opéra­tion Bokiko. Hotontosaina anio ny atrikasa voalohany, ma­nom­boka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Cités des Cultures Antaninarenina. […]

Seho « Fahasoavanao »: Dimy taona ny Mihir’all for Jesus

Taona 2020 – 2025. Feno dimy taona ny tarika Mihir’all for Jesus. Ho fanamarihana io vanim-potoana io, hiaka-tsehatra haneho ny “Fahasoavanao” ry zareo. Seho ara-pilazantsara tanterahina anio sabotsy 2 aogositra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Hôtel Astau­ria Antanimena. Hetsika natao maimaimpoana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka. […]

Hita maneran-tany: Mivelatra fa very hasina ny zavakanto

Mampivanaka… Mahazendana… Indraindray aza tsy takatry ny saina ny zavatra hitan’ny maso eo amin’ny tontolon’ny zavakanto maneran-tany. Fivelarana tsy misy tahaka izany. Saingy tsapa fa misy tsy fahampiana ao anatiny… Hosodoko, tsy misy ho ki­anina. Sokitra, tsy misy tomika… Hira, ao anatina zavamaneno iray ny feo re­hetra. Olona tokana ihany […]