kolon-tsaina

“Madagascourt Film Festival”: nangingina ny andiany faha-13

Tanterahina anio, eny amin’ny Intsitut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny lanonana famaranana ny “Madagascourt Film Festival”, andiany faha-19 (MFF 2024). Anisan’ny hampiavaka azy ity amin’ny isan-taona ny fisian’ny fampisehoana iarahana amin’i Olombelo Ricky sy Edgard Ravahatra ary Sylvin Marc. Andiany tetezamita no nilazan’ny mpikarakara ity andiany faha-19 ity noho […]

Faha-20 taon’ny TGC: ho tsangambato lehibe ny «Mada Gospel Festival»

Hetsika lehibe, tsy mbola nisy teto. Manomana ny andiany voalohany amin’ny “Mada Gospel Festival” ny Tana Gospel Choir, ho tohin’ny fanamarihan’izy ireo ny faha-20 taony. 4 andro ho an’ny gospel sy ny manodidina azy. Ho­tontosaina ny 25 hatramin’ny 28 jolay izao ny “Mada Gospel Festival”. “Hetsika iray hitarihana ny finoana […]

« Tantara fohy »: Tanora sy ankizy no tena liana amin’ny hetsika

Mitohy hatrany ny hetsiky ny Tetikasa Kanto Manabe (TKM), eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba. Amin’ity anio ity, misy hatrany ny atrikasa maro samihafa ho fanatrarana ny tanjona. Tanjona izay hampivelatra ny haikanto maro samihafa. Amin’ny ankapobeny, efa miditra amin’ny andiany faharoa ny atrikasa. Tsi­karitra ny hamaroan’ireo tanora sy […]

« Lignes de failles »: hasongadina anatin’ny zavakanto ny fanatanjahantena

Ny 24 aogositra 2024 no hifarana ny hetsika «Lignes de failles», atao eny amin’ny Institut français de Madagas­car (IFM) Analakely. Fampi­rantiana sary sy fandefasana horonantsary ary velakevitra arahina adihevitra no mandrafitra ity hetsika ity. Mpahay kanto miisa telo samihafa no tompon’antoka amin’ny fanatanterahana izao hetsika izao sy mandranty ny haikantony […]

Tantara amin’ny Radio: Tsy omen-kasina ny mpilalao sy ny mpanoratra

Tao anatin’ny folo taona, nanomboka niverina indray ny fitiavan’ny Malagasy mihaino tantara mandeha amin’ny Radio. Nitarika firoboroboana teo amin’ity tontolo ity izany. Saika mandefa tantara ny ankamaroany mba hoenti-misarika ny mpihaino… Fandaharana anisan’ny maro mpihaino ao amin’ny Radio ny tantara. Olombelona maro, andraikitra samihafa no mifameno vao afaka henoina ny […]