“Hiran’ny tarika manontolo, tsy misy fangarony, no alahatray”. Io no nambaran-dRahaja, lehiben’ny tarika Telofangady. Mahakasika ilay fampisehoana “Gasikarako”, izay hotontosain’ izy ireo etsy amin’ny Ivokolo Analakely, rahampitso 7 jolay manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hira manodidina ny 30 isa eo izy ireo, izay misy vaovao sy ireo nampalaza ny Telofangady […]
kolon-tsaina
Rovan’i Madagasikara : mitombo ny fampahalalana an-dRanavalona III
Anisan’ny zava-dehibe sy tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny taranaka ny fahafantarana ny tantarany. Tokony ho hataon’ny tomponandraikitra lohalaharana ihany koa ny fampahafantarana izany. Notanterahina omaly, teny amin’ny Rovan’i Madagasikara, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny efitrano fampirantiana entina mampahafantatra misimisy kokoa ny mpanjaka Ranavalona III. Niatrika izany ny minisitry ny […]
Madagascourt Film Festival : hanokatra ny sehatra ny sarimihetsika «Joro»
Tanterahina anio, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny lanonana fanokafana amin’ ny fomba ofisialy, ny «Madagascourt Film Festival», andiany faha-19. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny horonantsary eto Afrika, indrindra eto Madagasikara, ity hatao ity. Sarimihetsika anisan’ny manana ny maha izy azy ny horonantsarimihetsika “Joro”, notontosain-dRandriamanantsoa Rianando Ludovic, […]
Hiragasy: Hanamarika ny 35 taona an- tsehatra Rasoalalao Kavia
Iray amin’ireo tarika kalaza indrindra amin’ny hiragasy ry Rasoalalao Kavia. Hiavaka ny taom-pilalaovana, satria hanamarika ny 35 taona nilomanosan-dRasoalalao tanatin’ny hiragasy izy ireo. Ao anatiny. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ireo tarika mpanao hiragasy malaza rehetra. Ho an’ny tarika Rasoalalao Kavia manokana, efa nanomboka ny volana marsa izy ireo no […]
«Fialantsasatra kanto»: Tanjona ny hikolo ny sain’ny ankizy
Tanterahina mandritra ny volana jolay sy aogositra, mitety ny tranomboky eto Antananarivo, ny «Fialantsasatra kanto». Hetsika ara-javakanto maro samihafa no handravaka izany, karakarain’ny Tetikasa Kanto Manabe (TKM), miaraka amin’ny mpahay kanto isan-karazany. Marihina fa maimaimpoana tanteraka ny hetsika. Ny ankizy no tena kendrena ao anatin’izany. Ankoatra ny fitazonana ny sain’izy […]