kolon-tsaina

Marion: 20 taona nitondrana an-tsehatra ny Rn’B malagasy

Raha vao miresaka ny Rn’B eto Madagasikara, tsy afa-misaraka amin’izany ny anaran’i Marion. 20 taona izay ary mbola ao anatin’ny tontolo izy na tsy teto an-tanindrazana elaela aza. Nanaiky nizarazara ny lalany sy niresadresaka ny fankalazana taminay i Marion. Ramandaniarivo An­drian­jaka Yves Ma­rion ny anarany feno. Ma­rion kosa no anarana […]

TARATRY ny KANTO

Tonga tampoka i Marion ! Vaovao lehibe ho an’ireo mpankafy, indrindra ireo efa nanam-pikasana ny hijery ilay fampisehoana « Génération 2000 », ity. Nam­pahafantarina mantsy fa « live streaming » ny anjaran’i Marion, noho izy monina any ivelany. Nigadona an-tanindrazana, omaly, ity mpanakanto anisan’ny namaky lay ny Rn’b teto Madagasikara ity. Hamerina indray ireo hira […]

« Revirevy mody masoandro » : Hampitambatra ny mpankafy rehetra

Hatao eny amin’ny tokotany malalaky ny CCI Ivato, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny alahady 27 jolay ho avy izao, ny fampi­sehoana « Revy revy mody masoandro », karakarain’ny Louvto Company. Hetsika hiarahan’ny tarika Mahaleo, Mahaleo Taranaka, Lôlô sy ny Tariny ary Samoela. Andiany fahatelo ity fampisehoana ity, nampisehoan’ny orinasa Airtel, fa mpiara-miombon’ […]

Kolontsaina sy zavakanto : Miandrandra ny volana aogositra, septambra, oktobra ny mpihiragasy

Raha ny volana jolay no nantenaina fa hisy kely ny tsena. Nihena izany raha oharina tamin’ny taon-dasa. Mbola misy telo volana ahafahana mametraka ny fanantenana, anefa, raha ny nambaran’ireo mpihiragasy. «Ny firenena iray ma­nontolo sy ny fiainam-piarahamo­nina mihitsy no mandalo fahasahiranana, ka tsy mahagaga raha misy fihenany ny adin-kiragasy hita […]