«Hetsika ara-javakanto sy concert de jazz». Lohateny sady lohahevitry ny hetsika iray karakarain’ny Jazz Club CGM/GZ Antananarivo sy ny ankizy ary ny tanora tezaina ao amin’ny centre Alabri Miarinarivo Itasy. Amin’ny ankapobeny, hanana endrika fanabeazana feno, hatrany, ity hotanterahina amin’ny sabotsy 29 jona, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, […]
kolon-tsaina
Vanim-potoana ankehitriny: tsy manan-kambara ireo mpikirakira kolontsaina
Miova atsy, miova aroa ! Samy manana ny « Afindrafindrao »-ny, ny tsirairay. Mitompo teny fantatra ny sasany. Samy maneho ny heviny manoloana tranga iray. Mahay sa tsy mahay ny zavatra resahiny izy ireny? Fa nankaiza ireo « tompon’ny kolontsaina »? Ny «Miteraha fito lahy sy fito vavy», lazaina fa […]
Fanorona: nandrombaka ny fandresena i Dada Bary
Nikarakara fifaninanana lalao fanorona, teny Ambohidratrimo, i Souleman mpikabary, nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena teo. 9 mianaka, avy amin’ny fokontany enina, eo anivon’ny kaominina Ambohidratrimo ireo nandray anjara tamin’izany. Nandrombaka ny amboara, nandresy tamin’izany, Rabarimanana Jean de Dieu na i Dada Bary, 77 taona, rehefa avy nifanandrina ny ho tompondakan’ny […]
“Fitiavana, Tanindrazana, fozaorana”: tadika tamin’ny teny malagasy
« Amour, patrie et soupe de crabe » ny lohatenin’ilay boky voalohany… Nadika ho « Fitiavana, Tanindrazana, fozaorana » ity sanganasan-dravaloson Johary ity. 5 taona taorian’ny nipoiran’ny voalohany, nivoaka izao ny boky faharoa, izay nadikan’ Ilaibalihy, nampian’i Rija Al-Jonah teo amin’ny fanitsiana. Tsy asa mora ny fandikana izany, satria tsy ny fehezanteny tsirairay fotsiny no […]
« Grand podium nationale »: nianoka fampisehoana niavaka ny vahoaka
Andro manan-danja sy miavaka ho an’ny vahoaka malagasy ny 26 jona. Izany indrindra no antony nisian’ny fety aman-danonana maro samihafa, nentina nanamarika izany. Notanterahina, omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Grand podium nationale ». Fampisehoana lehibe, nentina nanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena sy ny nijoroan’ny foloalindahy. Mpanakanto mpihira isan-karazany no […]