kolon-tsaina

Asa maha mpanoratra: Hisy atrikasa iarahana amin’i Nirina R.

Mpanoratra teratany malagasy, saingy miasa sy monina any ivelany, i Nirina Ralantoaritsimba. Handalo an-tanindrazana, hizara ny traikefany mahakasika ny tontolon’ny boky izy. Anisan’izany ny atrikasa izay hotarihiny ny sabotsy 19 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Mahakasika ny asa maha mpanoratra no hovelabelariny mandritra […]

« Génération 2000 », andiany fahatelo: Hiverina an-tsehatra koa ry Imagine, Eric Tahiana…

Hanjaka ny fahatsiarovana any ambadiky ny 20 taona lasa. Maromaro ireo mpanakanto nanana hira nanamarika ny taona 2000 no hiverina indray. «Ho feno fihetseham-po satria hihaona indray amin’ireo mpankafy anay taloha sy hatramin’izao », hoy i Fanja. Mandrafitra ny tarika Imagine miaraka amin’i Mamie izy, izay nalaza tany amin’ny fiandohan’ny taona […]

TARATRY ny KANTO

Handefa sarimihetsika hifaninana mandritra ny « Academy Awards » i Madagasikara. Araka izany, manao antso avo amin’ireo mpamokatra sarimihetsika ny kaomity misahana ny fisafidianana, mba handefa ny antontan-taratasiny. Alefa mailaka amin’ny malagasycinema@gmail.com ny mombamomba ny sarimihetsika sy ny trano mpamokatra maniry hifaninanana, mialoha ny 15 aogositra 2025. Ireo sarimihetsika lava nivoaka teo […]

Fifaninanana « Tafan-gilita » : Mpitendry 40 no hiatrika ireo mpitsara manaraka

183 no nandray anjara, 65 no tafakatra tamin’ny fijerena ireo « videos » nalefan’ny mpifaninana. Niatrika nivantana ireo mpitsara, nandritra ny dingana voalohany izy ireo, ny sabotsy teo. Ny hira izay na­taon’ireo mpifaninana tany amin’ny « vidéos » na nahalany azy ihany no naverina nandritra izany. Taorian’ny fise­drana ny sehatra nataon’ny mpifaninana rehetra, nivoaka […]

Randja -100 taona : Hisy fampirantiana ny sanganasany

Mitohy ny fampahafantarana. « Ilay poeta marolafy » no lohahevitry ny fampirantiana, izay hotontosaina etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy, manomboka rahampitso 17 jolay, amin’ny 10 ora sy sasany maraina. Fampahalalana bebe kokoa hatrany an’i Randja Zanamihoatra, indrindra ireo asa sorany izany. Misy ireo nivoaka an-gazety tamin’izany fotoana, misy ireo voarakitra ho boky, […]