Hisy fampisehoana atolotry ny Jazz Club CGM, rahampitso, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hanampy azy ireo koa i Mendrika Rasolomahatratra, mpampianatra ampongamaroanaka sady mpitendry matihanina rahateo. Fotoana fizarana sehatra ity ho an’ireo mpikambana, sy fizarana traikefa koa ho an’ireo zoky eo amin’ny mozika. Efa fifampitaizana sy fotoana ifaneraserana ihany koa […]
kolon-tsaina
« Follow 2025 » : Hitondra fiderana sy fiankohofana ny Jesus Union
Ny fitiavan’Andriamanitra. Io no lohahevitra nosafidian’ny Jesus Union, hanompanana ny « Follow 2025 ». Hotontosaina ny 26 jolay izao ny hetsika, manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Arena Ivandry. « Hira fiderana ho fanandratana an’Andriamanitra, izay sady arahina dihy no ho ao. Eo koa ny fiankohofana, izay fotoana hikasihan’ Andriamanitra ny tsirairay », hoy […]
Fi.Mpi.Ma – TDA : Hampahafantarina ny « karajia »
Rahampitso alahady 20 jolay. Hotanterahina amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera « Zoom » sy Facebook ny fampitam-pahalalana « Takalo dinika amorom-patana » (TDA). Lohahevitra anisan’ny mahaliana olona maro no nofidian’ny Foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany : « Ny karajia amin’ny kabary malagasy ». Hisorona ny afo amin’izany ny Dr. Rabenalisoa Ravalitera Jean, mpampianatra mpikaroka, akademisianina, birao foibe Fi.Mpi.Ma sady […]
« Memoire du Monde » : Omena lanja ny tahiry fony faha-mpanjaka
Anisan’ny mitondra any amin’ny fandrosoana ny fananana fototra. Na tsy mbola tafiditra lalina ao anatin’ny kolontsaina malagasy aza ny fikajiana ny angon-tahiry na ny tahiry. Efa zava-dehibe ny fahavitana dingana aminy. Iray amin’ireo firenena nandalo ny vanim-potoana faha-mpanjaka i Madagasikara. Na tsy maro be tahaka ny hita any amin’ny firenena […]
TARATRY ny KANTO
Fifaninanana vakiboky ho an’ny faritra Analamanga. Notolorana mari-pankasitrahana omaly, ireo nandresy, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fifaninanana nokarakarain’ny ONG Diary Nofy izy ity, niarahany tamin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Mpianatra avy eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra ireo nifaninana, ka ireo telo voalohany no hisolo tena ny faritra Analamanga mandritra ny […]




