kolon-tsaina

« Intervision 2025 »: Laharana faha-8 i Madagasikara

« Intervision 2025 », fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny tontolon’ny hira, notanterahina tany Rosia. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany i Denise sy i D-Lain. Nisy ny nampisogadina azy mianadahy. Iray amin’ireny ny feo. Nanana ny fanapahan-keviny ny mpitsara… Tontosa ny sabotsy 20 septambra lasa teo, ta­min’ny 10 ora alina, tany Rosia, ny fandraisan’anjaran’i Denise […]

TARATRY ny KANTO

Madajazzcar Festival 2025, hiditra amin’ny fifaninanana ny « Tremplin » ho an’ny eto Antanana­rivo. Hotanterahina eny amin’ny La Teinturerie Ampa­sanimalo, ny alarobia 24 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny fifanintsanana. Afaka manatrika azy io avokoa ny olon-drehetra liana amin’ny tontolon’ny jazz. Tafiditra ao anatin’ny fikatsahana sy fampitiavana ity […]

« Angaredona Mozika Festival »: Handrasan’ Ambohimanga i Rossy

Ivon’ny hetsika « Angaredona Mozika Festival » ity faran’ny herinandro ity. Anio sy rahampitso mantsy ny fampisehoana goavana hotontosaina eny amin’ny Kianja Ankadivory, Ambo­himanga Rova. Anisan’ny andrasana amin’ity andiany faha-19 ity ny tarika Rossy, izay sambany handray anjara amin’ny « Angaredona ». Ry zareo no hamarana ny seho ny alahady, hitondra ny tapolaka sy […]

« Festival Jokosso » andiany fahadimy: Homena laka ireo tanora mpanao hatsikana

Seha-kanto iray manomboka miroborobo ny hatsikana. Nanana ny anjara birikiny tamin’izany ny « Festival Jokosso », izay ifarimbonan’ireo mpanao hatsikana na efa malaza na vao misondrotra. Manana ny hetsika azy manokana ny hatsikana eto Madagasikara. Hiditra amin’ny andiany faha-5 sahady mantsy ny « Festival Jokosso », amin’ity. Hatao mandritra ny roa herinandro izany, ny […]