kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fandraisana ireo tetikasa ho an’ny 1st Step Fund”. Natao hanohanana ireo mpamokatra sarimihetsika izy ity, izany hoe, fanampiana manomboka amin’ny dingana voalohany hidirana amin’ny sehatra mihitsy. Ireo manana tetikasa amina horonantsary fohy aloha no entanina handefa ny vokatra, mialoha ny 18 oktobra izao. Tombony lehibe ho an’ireo mpanatontosa […]

“New York Independent Art Film Festival” : Nahazo loka ny “Debout!”, an’i Felana R.

Nandrombaka ny loka tao amin’ny sokajy “Best Human Rights Short Film” ilay horonantsary “Stand up!” na “Debout!”, notontosain’i Fela­na Rajaonarivelo. “Raha toa ka nandefa ny horonantsary hifaninana aho tamin’ny volana mey lasa teo, tsy mbola noeritreretiko akory hoe ahoana ny mety ho tohiny. Efa fanomezana lehibe ho ahy ny nahatafiditra […]

“Tremplin Madajazzcar 2025”: Tarika enina hifanintsana eto Antananarivo

Iray amin’ireo fandaharam-potoana mafonja ao anatin’ny hetsika “Madajazzcar Festival” ny « Tremplin Madajazzcar ». Tanàn-dehibe 4 no nahitana izany tamin’ity taona 2025 ity. Ho an’Antananarivo, efa nisy ny vokatra azo. Amin’ny ankapobeny, ahitana fiofanana arahina fifaninanana ny firafitry ny « Tremplin ». Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny “Madajazzcar Festival 2025” izy io. Efa taona maro […]

Seho indroa nisesy: Nahavory olona hatrany ny Tarika AmbondronA

Ny zoma sy ny omaly, fenon’ny tarika AmbondronA hatrany ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina etsy Imaha­masina. Nahitana fanatsarana hatrany ny teny an-tsehatra sy ny tontolon’ny fampisehoana manontolo. Anisan’izany ny nisian’ ireo mpitendry zavamaneno hafa ivelan’ny tarika izay nahitana sy nahenoina fa nanana « loko » hafa indray ireo hira nahafantarana ny tarika […]

Angaredona Mozika Festival: « Tafita ny hafatra… », hoy Rajery

Nanomboka ny 13 septambra teo… Tontosa omaly, teny Ambohimanga, ny famaranana ilay hetsika kolontsaina lehibe « Angaredona Mozika Festival » andiany faha-18. Nambaran’i Faly Randriamiarantsoa, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ity hetsika ity fa « fahombiazana lehibe raha fintinina ny Angaredona Mozika Festival ho an’ity taona 2025 ity. Tan­teraka tokoa ilay hoe kolontsaina mampiray […]