Atao etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina, ny alahady izao, ny «Concert de la paix». Fampisehoana ara-pilazantsara hafanain’ireo mpanakanto kalaza maro avy eto an-toerana. Anisan’izany ry Rija Rasolondraibe, Joseph d’AF… Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fety fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara izany. “Fotoana hanehoana fiombonam-po sy fiombonan-tsaina izy io”, hoy […]
kolon-tsaina
«Forestival 2024» : Malagasy mpanakanto telo mandray anjara
Mitohy hatrany ny fivelaran’ny zavakanto malagasy. Taratr’izany ny fandraisana anjaran’ireo Malagasy mpahay kanto amin’ny hetsika iraisam-pirenena maro. Malagasy mandray anjara amin’ny «Forestival 2024», atao any Lahnstein Allemagne, Razafindrakoto Mamy Nirina (Tangalamamy) sy Rabearivelo Dina Mitia ary Aina Andriamahafaly. Fampirantiana sy sehon-javakanto maro samihafa atao anaty ala sy eny ankalamanjana izy […]
TARATRY ny KANTO
Efa tonga eto i Arjun. Hanatontosa fampisehoana mandritra ilay hetsika « Bollywood Glam Night », izay hotanterahina eny amin’ny Novotel Ivandry, anio alina, ity mpanakanto indianina malaza ity. Efa eto ihany koa i DJ Harpz, ary andrasana anio ny Krumania Dance Group, izay tarika mpanao soradihy avy atsy Maorisy, hizara ny kantony […]
Hip – hop : 50 taona i Slam Jah, anisan’ireo mpanao Rap zokiny
Lava ny lalana nodiavina ho an’i Slam Jah. Tsy mbola nijanona hatreo anefa fa manohy hatrany ny mozika anatin’ny tontolon’ny Hip-hop ity mpanakanto ity. «Savasavaiko ny lalany dia hataoko mandrakizay», hoy i Slam Jah izay. Anarana tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny Hip-hop eto Madagasikara, satria anisan’ireo nitondra voalohany ny rivotry ny […]
« Fetin’ny mozika »: sehatra ho an’ny mpanakanto vao misandratra
Anisan’ireo firenena mankalaza ny « Fetin’ny mozika » isaky ny 21 jona ihany koa i Madagasikara. Natao ho sehatra hiakaran’ireo talenta vao, hanomezana ihany koa mozika vaovao ho an’ny mpankafy. 21 jona, «Fetin’ny mozika». Rivotra nitsoka maneran-tany izy ity, izay niainga tany France, ny taona 1982. Raha toa ka somary […]