kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Lanonana tsy manam-paharoa. Hotanterahina ny sabotsy 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny « Salle polyvalente Iugm Ambondrona, ny fitokanana ny Sampana Mahajanga ho an’ny Fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Ampiarahina amin’io lanonana io ihany koa ny fandraisana ireo mpikambana ao anatiny. Antsa tononkalo, fanehoana ny dihim-paritra. […]

Sodokan’ny endrika ivelany: Maro loatra ny varo-draikiraiky amin’ny kanto

Ny anaran’ny sekoly, mampody mandry. Ny vokatra azo, mampisitri-belona. Anke­hitriny, maro loatra ny varo-draikiraiky, fitaka sy tsy fahamatorana mianjady amin’ny fampianarana zavakanto. Vao maheno ny « intelo mianatra dia efa mahita vokatra » ny ray aman-dreny. Dodona sy maika handefa ny zanany hianatra zavamaneno, kabary, sary, sns. Mivadika ny volana, atao eny […]