kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Satria, iray ihany ny tanindrazana (Mada­gasikara), dia iray ihany ny Malagasy. Fa, mety ho samy hafa ny kolosaina sy ny kolontsaina ary ny fomba amam-panao. Samy manana ny azy. Io no anisan’ny mampiavaka ny Malagasy sy i Madagasikara. Faritra na toerana mifanakaiky, kanefa, ahitana fahasamihafana eo amin’ ireo lafiny ireo. […]

Madajazzcar Festival: Manatsara ny fahaiza-mamorona ny « Tremplin »

Anisan’ny mampiavaka ity andiany faha-36 amin’ny « Madajazzcar Festival » ity ny fitomboan’ny isan’ny tanàn-dehibe hanatanterahana izany. Nomena lanja lehibe ao anatin’ny fiofanana kosa ny fitsinjovana ny hoavy manaraka tahaka ny famoronana. Ny 15 septambra teo no nanomboka ny «Trem­plin Madajazzcar» ho an’Antananarivo. Ny 17 septambra ny tany Antsirabe. Hanomboka […]

Manasinirina Hira: “Nofinofiko ny haneho hatrany ivelany ny talentako”

I Hira no nahazo ilay gitara Taylor… Gitara lafovidy, loka voalohany tamin’ny “Tafan-gilita fifaninanana”. Mendrika azy izany, raha ny talentany. Fanombohana ihany anefa ho an’i Hira, satria mbola ho lava ny lalan’ity mpanakanto ity. Anarana tsy tongatonga foana, fa mahalaza be ilay Hira… Vao 17 taona monja izy! Tena rara-kivy […]

« Salon de la gastronomie » andiany faha-11 : Fotoan-dehibe ho an’ireo mpankafy ny hainahandro

Manan-talenta, manana ny akora fototra ary misongadina maneran-tany, i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny hainahandro. Anisan’ireo hasongadina ny sôkôla malagasy amin’ity andiany ity. Raha resaka nahandro, miavaka ny Malagasy.  Voaporofo hatrany izany, na eto an-tanindrazana ka hatrany amin’ireo hetsika lehibe maneran-tany ho an’ny hainahandro. Antony iray mbola mampitoetra ny lazan’ny […]