kolon-tsaina

Dihy: andiany fahatelo ny « Evasion danse »

Iray amin’ireo hetsika momba ny dihy hoenti-manasongadina ny asa famoronana ny Festival international de danse de création « Evasion danse ». Fantatra fa hotontosaina ny 7 jo­lay ka hatramin’ny 13 jolay izao, eto Madagasikara ny andiany fahatelo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fihaonana sy fifanakalozana eo amin’ny tontolon’ny dihy. Fampisehoana an-tsehatra maro. […]

Faribolana Sandratra – Seho poetika: nampifamatotra aingam-panahy ny « Fanjohy »

Ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Cercle Ger­ma­no-Malagasy Analakely. Seho poetika « Fanjohy » niarahana tamin’i Mampandri­niaina Manitra, Elinivo, Ranöe ary R.Coft. Anisan’ny nisongadina nandritra ity seho nokarakarain’ny Faribolana Sandra­tra ity ny nahatsapana fifandrohizana aingam-panahy teo amin’ireto mpanoratra ireto. Na samy manana ny maha izy azy sy ny mampiavaka azy eo amin’ny […]

Fikarohana sy sikidy: « Matematika misy ifandraisana amin’ny informatika »

Misokatra amina sehatra lehibe ny tontolon’ny kolontsaina malagasy, raha tarafina amin’ny olona liana aminy. Nanamafy izany ny hita nandritra ny velakevitra momba ny sikidy nataon’ny Pr. Rakotondrajao Fanja izay nilazany ny heviny momba io kolontsaina io… «Ny sikidy dia matematika. Misy ifandraisany amin’ny informatika ihany koa izy, sa­tria, mampiasa ny […]

“Les nuits atypiques”: nisongadina ny tarika Hazolahy

Tsy vaovao amin’ny mozika malagasy ny « Festival Les nuits atypiques ». Hetsika misokatra ho an’ny mozikan’izao tontolo izao, izay mitety tanàna any Sud-Gironde, France. Efa nanomboka ny 4 jona izany, saingy ny 22 jona teo no anja­ran’ny mozika malagasy, izay nosoloan’ny tarika Hazolahy tena. Tsy diso mihitsy ny safidin’ny kaomity mpikarakara, […]