kolon-tsaina

Voka-pikarohana : Mifamatotra ny valiha sy ny fanahy

Hanatanteraka velakevitra momba ny « fifamatoran’ny valiha sy ny fanahy » ireo mpampianatra eo anivon’ny foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Académie. Sambany teo amin’ny tantaran’ny valiha sy ny zavapanahy no hisy tahak’izao, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ity foibe ity. « Fikarohana an-taona maro no nahatongavana sy nahafahana nanaporofo fa […]

« New York Independant Art Film Festival » : Manohy ny lalany ny « Débout », an’i Felana Rajaonarivelo

Taranja iray anisan’ny nahenoina anarana teratany malagasy vitsivitsy kanefa nahavita zavatra goavana ny sarimihetsika. Mbola manamarina izany ny fahafantarana fa hiatrika sehatra lehibe ilay horonantsary « Débout » an’i Felana Rajaonarivelo. Manaitra, misongadina, mampihetsi-po… Midi­ka izay fa mipaka ny hafatra anatin’ilay horonantsary « Débout », notontosain’i Felana Rajaonarivelo. Niha­naka vetivety ny lazany, ka anisan’ireo […]

TARATRY ny KANTO

Hiova ny ora fivoahan’ny Fondation H etsy Ambatomena. Manomboka anio, hisokatra amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva ny toerana fampirantiana, ny trano famakiam-boky ary ny toeram-pivarotana, ny talata hatramin’ny sabotsy. Amin’ny 10 ora hatramin’ny 4 ora hariva kosa ny alahady, ankoatra ny trano famakiam-boky. Ny alatsinainy kosa no […]

Taom-pianarana 2025-2026 : Ho maro ny sekoly hampianatra kolontsaina malagasy

Tao anatin’ny fanadihadiana natao tamina tomponandraikitry ny sekoly miisa 52 (Antananarivo sy ny manodidina). Ny 49 tamin’ireo no na­nambara fa : « anisan’ny fiovana sy fanatsarana ny sekoly ny hampiditra ny taranja fianarana ny kolontsaina malagasy, amin’ity taom-pianarana 2025-2026 ity. Sady mahasarika ny tanora no anjara birika amin’ny fiverenana amin’ny fototra no antony […]

Satan’ny matihanina amin’ny boky : Maodely aty Afrika i Madagasikara

Misongadina amin’ny tsara. Mampirehareha ny ezaka vitan’i Madagasikara tamin’ny fametrahana ilay “Satan’ny matihanina amin’ny sehatry ny boky”, izay hataon’ireo firenena afrikanina hafa fakan-tahaka. Iza avy ireo mpisehatra? Inona no andraikitry ny tsirairay? Inona ny mampifandray ny rehetra amin’ny tontolon’ny famokarana boky? Ta­fa­petraka ka voavaly amin’ny antsipiriany ao anatin’ilay “Satan’ny matihanina […]