Mitohy hatrany ny fanolorana hetsika mahakasika ny kolontsaina sy ny fanabeazana, indrindra ho an’ny ankizy, ataon’ny IFM sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Izany indrindra no nanaovana izao “Zaza mifety” izao. Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, manomboka ny 1 jona hatramin’ny 8 jona 2024, ny «Zaza mifety» andiany […]
kolon-tsaina
“Smooth night » andiany faha-17 : anjoria mozika mitety tany sy vanim-potoana
Anisan’ny hetsika hanehoan’ireo Malagasy mpanakanto ny fivelaran’ny talentany ny “Smooth Night”. Niavaka avokoa ireo andiany 16 nisy nandritra ny 10 taona, ary mbola mikaroka ny lafatra izy ireo amin’ity andiany faha-17 ity. Karazan-kira voafantina, sanganasan’ireo mpanakanto kalaza maneran-tany nivoy ilay antsoina ho “mozikan’ny mainty hoditra”. Ireny no notsongaina hatramin’izay, naverin’ireo […]
TARATRY ny KANTO
« Tiako Neny », nandaharana ireo hira ho an’ny reny rehetra. Hafakely iny seho tetsy amin’ny CCEsca Antanimena omaly iny. Rehefa mety ho hira ho an’ny reny, nalahatr’ireo mpanakanto tao avokoa. Maherin’ny 30 izy ireo, izay nifarimbonan-dry Voahirana, Lilie, Gothlieb, Mahery ary i Farakely sy ireo mpitendry mpanaraka azy ireo. Tsy hiran’ny omaly […]
« Dago Madness Beatz »: tsy namaly ireo heverina ho mpankafy mozika
Somary efa nampoizina ihany… Tsara dia tsara ny tolotra saingy tsy namaly ny mpankafy mozika. Na tsy tena mpankafy mozika ihany koa aza, satria tsy araka izay nandrasana ireo tonga nanatrika ny hetsika “Festival Dago Madness Beatz”, izay notontosaina tao amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny sabotsy sy alahady, faran’ny herinandro, […]
« Miss&Mister Malagasy » : hanao asa soa eto Madagasikara
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Tana Hotel Antaninarenina, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampafahantarana ny « Miss& Mister Malagasy » sy ny manodidina izany. Amin’ity taona ity, Floriana Rasolo sy Andy Stephanie no voafidy ho mpandresin’ny fifaninanana. Izy ireo, araka izany, no misolo tena ny diaspora malagasy amin’ny asa […]