Tafiditra ao anatin’ny tohin’ny fitetezam-paritra. Hiaka-tsehatra ao Ambohibary, Moramanga, indray ny tarika Iray Fy’Art, mpilalao tantara amin’ny radio. «Seho hafa… Tantara vaovao be no hoentinay eny an-tsehatra amin’io fotoana io», hoy ny lehiben’ny tarika, Niravo. Nambarany fa tsy ambakan’ny tantara nolalaovin’izy ireo tany an-toerana tamin’ny herintaona sy ireo nentina nitety faritra […]
kolon-tsaina
Fahalalana: Miaina ny tsy sahaza azy intsony ny Malagasy
Miavaka e ! Mahay e ! Manan-talenta e !… Ireo vahiny mandalo, milaza izany ny ankamaroany. Ireo tompontany misintaka kely ny toerana misy azy, miteny tahaka izany koa… Ny hitan’ny maso, ren’ny sofina. Ravahina doka kely hatrany. Tena ilaina sy sahaza ny Malagasy ve izy ireny ? Tao anatin’ny dokambarotra 17, ny 2 tamin’ireo […]
TARATRY ny KANTO
I Arielatra, Dimby Mahenina, Baliaka Natiora ary i Kanto Fitahiana. Hanafana ny sehatra lehibe, etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy Analakely, ny 23 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, amin’ny alalan’ny poezia izy dimy mirahavavy avy ao amin’ny Faribolana Sandratra. Fintinin’izy ireo ao anatin’ ny « Anofy » ireo hevi-dehibe hampitaina amin’io antsa […]
Taona 2025 – Dadafara Lt production: « 30 000 Ar ny anjaran’ny mpihiragasy iray »
Volana jolay, aogositra, septambra, oktobra. Ao anatin’ ny fanatontosan’ny Malagasy ireo fomba amam-panao tahaka ny famadihan-drazana sy hasoavan-jaza. Fotoana mahamaro ny adin-kiragasy. Eo ihany koa ny adin-kiragasy karakaraina olona tsotra na fikambanana, sns. « Eo ho eo amin’ny 1 500 000Ar ny karaman’ny tarika iray. Voatazona ihany io, saingy, ho an’ity taona 2025 […]
« Visa pour l’image » : Haneho ny « Madagasikara tanin’ireo fanahy »
Anisan’ny nasaina hiatrika ilay hetsika fampirantiana saripika « Visa pour l’image », tanterahina any Perpignan Frantsa, ny 30 aogositra hatramin’ny 14 septambra izao, i Rijasolo. Lohahevitra hoentiny amin’izany ny « Madagascar, terre des esprits » na « Madagasikara tanin’ireo fanahy ». Saripika mahatratra 31 no hanehoany izany. Ireo saripika ireo no hamoaka sy hanamafy fa eo […]





