kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

« Arendrina Fiderana », fampisehoana rindran-kira an-tsehatra miaraka amin’i Zook Davids, hotanterahina ao Antsahamanitra ny 25 jona izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hiaka-tsehatra mandritra ity seho maimaimpoana ity ihany koa i Pasteur Jocelyn Ranjarison, Revival Messengers, 4Life Heaven Sound, sy mpanakanto nasaina manokana. « Arendrina Fiderana » hanehoana indray ny kolontsaina […]

« Star Tour » Tanà : Handrasana ry AmbondronA, Samoela, L Jo…

Hiditra amin’ny andiany fahefatra ny eto Antananarivo. Faharoa kosa amin’ity taona ity taorian’ny tany Antsirabe, ny « Star Tour » hotontosaina ny 20 hatramin’ny 22 jona izao, etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Andiam-pampisehoana mandritra ny 3 andro no tena nahafantarana ny « Star Tour » hatramin’izay. Mbola voatana ihany izany amin’ity, satria ao anaty lisitra […]

IFM – Fetin’ny mozika : Omena ny vehivavy ny sehatra

21 jona, tahaka ny fanao isan-taona. Handray anjara amin’ny hetsika hanamarihana ny « Fetin’ny mozika » ny etsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM). Hiavaka tanteraka ny amin’ity taona ity, satria, omena ny vehivavy ny sehatra. Ao ny mpihira, mpitendry zavamaneno, mpanao slam, mpamoron-kira… Hanomboka amin’ny 4 ora tolakandro, etsy Analakely foiben’ny […]

Festival Dôlabe : « Te hampahafantatra an’i Sofia izahay », hoy i Dadi Love

Vao miteny hoe « Dôlabe », dia miaraka amin’izay ny anaran’i Dadi Love. Nataony indrindra hampahafantarana ny Faritra Sofia, indrindra ny lafiny kolontsaina ity hetsika ity. Hiakatra kokoa ny lentany amin’ny andiany fahatelo. Manana ny « Sômaroho i Wawa any Nosy Be. Nanao ny « Triatria » i Big MJ any Antalaha. Fa efa hiditra […]

Fampandrosoana eny ifotony: Hamondrona ny heriny ny zanak’i Mandrosoa

Hifamotoana eny amin’ny Park Sisaony Ambatofotsy ny Zanak’i Mandrosoa (Zanama), ny alahady 22 jona izao. Hetsika natao hamondronana ny hery ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina Mandrosoa, distrikan’Andramasina izany. “Mitana andraikitra sy asa amin’ny sehatra maro eo anivon’ny fitondram-panjakana sy amin’ny sehatra tsy miankina ireo avara-pianarana sy manampahaizana zanaky ny kaominina […]