Hampahafantarina ireo mozea rehetra manerana an’i Madagasikara. Nomarihina ny sabotsy 18 mey lasa teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea. Mifandimby mandeha amin’ny TVM sy ny pejin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izany, hatramin’ny 24 mey izao. Anisany, ohatra, ny mozean’ny saripika eny Andohalo, ny mozean’ny Zandarimaria any Moramanga, sns. […]
kolon-tsaina
Horonantsary fanadihadiana : hisy ny dinika momba ny « Filets de Lettres »
Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Analakely) ny hetsiky ny tetikasa « Decouverte Cinéma », ivahinianan’i Anjara Randriamahafaly, Malagasy mpanatontosa. Fandefasana sarimihetsika « Filet de Letrres », notontsain’i Anjara, tohizana amin’ny tafa sy dinika, iarahana amin’ity mpanatontosa ity no handravaka ny fandaharam-potoan’izany hetsika izany. Ankoatra ny fampiroboroboana sy famerenan-kasina ny sinema malagasy, […]
“Olympiades culturelles”: omen-danja ny Hip Hop, Rap, slam…
Tanterahina ao amin’ny AFT Andavamamba, ny sabotsy 25 mey izao ny « Olympiades culturelles ». Fotoana hanomezan-danja ny kolontsaina fanao an-tanàn-dehibe toy ny dihy Hip Hop, Rap, slam, graffiti, betmaking, parkour, sns, eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana manomboka amin’ny 10 ora maraina ny velakevitra miaraka amin’i Grodash na ilay teratany frantsay […]
« Festival Tsika Jiaby » : dingana lehibe eo amin’ny tantaran’ny mozika malagasy
Goavana iny… Hipetraka ho mari-drefy tsy azo kosehina amin’ny tantaran’ny mozika malagasy ny andiany voalohany amin’ilay « Festival Tsika Jiaby », tontosa tany Paris, Frantsa, ny faran’ny herinandro teo. Fampisehoana telo andro tsy an-kiato. Tarika malagasy 30 mahery, izany hoe, tsy latsaky ny 10 isan’andro. Mpijery an-jantony isan’andro, izay teratany malagasy ny […]
« Focus sur le peuple Mikea » : manan-karena kolontsaina ny Mikea
Foko eto Madagasikara mbola mahatazona ny fombany, ny kantony, sns, ny Mikea. Nanamporofoana izany ny hetsika «Focus sur le peuple Mikea» tao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely. Manan-karena kolontsaina ny foko Mikea, raha ny zava-naseho teny an-toerana. Nahaliana mpikaroka sy olona tsotra maro ny fiainan’ireto foko monina any […]