kolon-tsaina

«Prix du 20 Desamb’ Réunion»: nizara ny traikefany amin’ny mozika Rajery

Efa nanomboka ny 2 mey teo no any La Réunion Rajery. Misy ireo hetsika ara-kolon­tsaina tafiditra anatin’ny faha­tsiarovana ny fanandevozana sy ny nanafoanana izany any amin’ity Nosy rahavavy ity, ka anisan’ireo nasaina manokana handray anjara amin’izany ny Rajery Trio. Niara-dalana tamin’izany koa ny fanombohana ny «Prix du 20 Desamb’ Réunion» […]

Fifaninanana Saripika: tafakatra famaranana i Pierrot Men

«Louis Roederer Foundation Photography World Prize for Sustainability 2024». Fifaninanana saripika iraisam-pirenena goavana indrindra izy ity. Anisan’ireo tafakatra amin’ny dingana famaranana amin’izany ilay mpaka sary malagasy, Pierrot Men. Sanganasany miisa 10 no nalefan’i Pierrot Men nifaninana tamin’ny volana oktobra 2023. Sary maneho ny tontolo ivelaran’ny Malagasy amina faritra maro, izay […]

« Slam Poèsie »: norombahin’i Noférima ny amboara maneran-tany

Nody aty Afrika indray ny amboara maneran-tany eo amin’ny Slam poèsie, raha teratany italianina no nandrombaka izany tamin’ny andiany faha-17. Niezaka ary anisan’ny nahatalanjona ny maro ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny solontenan’ny Malagasy, nandritra ny hetsika. Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tao Belle Ville Paris Frantsa, ny «Grand Poetry Slam 2024», fifaninanana […]

Ho an’ny mitady sila-panahy : raikitra ny « Celibat events »

«Celibat events», io no anarana nasalotry ny Alone mpikarakara ilay ambohi-pihaonan’ireo mitady sila-pa­nahy, namana, sakaiza. Etsy amin’ny Restaurant Henintsoa By pass Ambohimangakely no hanatanterahana azy ity voalohany eto Madagasikara, ny sabotsy 18 mey, hanomboka amin’ny 5 ora hariva. Fanda­haram-potoana anatin’ny «Celibat events» ny fisian’i DJ Robs Mc, hanakorisa ireo hira […]

Mozika klasika : hiaka-tsehatra i Narimanana

Narimanana. Anarana tsy afaka amin’ny fiangaliana ny gitara, indrindra ny mozika klasika an-gitara. Anisan’ireo sangany sy malaza amin’izany mantsy ity mpanakanto ity. Fantatra fa i Narimanana indray no hanafana ny «Dimanche classique» andiany faha-14, izay hotontosaina rahampitso alahady 12 mey, manomboka amin’ny 4 ora, etsy amin’ny Alliance française Andavamamba. Hamerina […]