kolon-tsaina

Kabary : 20 taona ny Fi.Mpi.Ma Antananarivo

« Iray volan’ny teny malagasy ». Ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Faritany Fikambanan’ny mpikabary malagasy eto Antananarivo. Hanatanteraka diabe hanodidina ny farihin’Anosy, ho fanokafana ny fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy », ireo mpikambana, ny 7 jona ma­nom­boka amin’ny 9 ora maraina. Ny tolakandro kosa, hisy ny lanonana fianianan’ny filohan-tsampana sy fandraisana […]

Faha-100 taonan’i Randja Zanamihoatra: Kasaina hampahafantarina ireo asa sorany tsy mbola nivoaka

28 taona taorian’ny nahafatesany, mbola maro ireo asa soratr’i Randja Zanamihoatra no tsy fantatry ny besinimaro. Kasaina havoaka izy ireny, mandritra ity fankalazana ity. “Eny ho’aho, Ramala­gasy! Malagasy be fivoarana! Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana! Tsy hanozona ny Ntaolo n’inona n’inona natao Saingy masina ny sata izay […]

TARATRY ny KANTO

Tsy handray anjara indray amin’ny “Festival Tsika Jiaby” andiany faharoa any Paris, Frantsa, ny tarika Stéphanie. Fanambarana izay nataon’ny mpikarakara ny tarika omaly io. Tokony ho anisan’ireo mandray anjara ny alatsinainy 9 jona mantsy ry Stéphanie. Nilaza fa mbola hanazava ny antony amin’ity herinandro ity ny tarika. Silo mihira Mahaleo. […]

« Festival Zazamifety » : Hiavaka ny « Percussions corporelles »

Hanomboka ny alarobia 4 jona izao ny « Festival Zaza­mifety » karakarain’ny Institut français Madagascar (IFM) etsy Analakely. Hiova endrika ny eny an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fitantarana angano, ny tantara filalao eny an-tsehatra na teatra, fampirantiana, atrikasa… Hiavaka kosa ny « Zou!» na ny « Percussions corporelles » hoentin’ny compagnie Sons de Toile, ny […]

“Festival Sômaroho! 2025”: Hanasa an’i Shenseea, any Nosy Be, i Wawa

Anisan’ireo vahiny mpanakanto andrasan’ny mponin’i Nosy Be handray anjara amin’ny “Festival Sômaroho! 2025”, ny volana aogositra, i Shenseea. Efa manao ny dingana hahatongavana amin’izany i Wawa sy ny komity mpikara­kara. Shenseea sa i Ruger? Fanontaniana napetrak’i Wawa ho an’ireo mpankafy ny “Festival Sômaroho!”, indrindra ny mponin’i Nosy Be io tamin’ny […]