Hanomana fiaraha-mitendry, ka hiaraka tsiroaroa indray ireo mpifaninana. Hiova kely ny endriky ny « Prime 4 », ary hiroso amin’ny fanohanana ireo mpifaninana ihany koa izy efa-dahy mpitsara. Henjana ny fifaninanana! Manan-talenta daholo ireo mpifaninana 25 nandray anjara tamin’ny « Prime 3 », tamin’ny fifaninanana « Tafan-gilita », izay notontosaina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Kianja […]
kolon-tsaina
Fianarana Teolojia : Nosokafana ny taom-pianarana vaovao
Notanterahina ny sabotsy teo, tetsy Ambatonakanga, ny fotoam-pivavahana nanokafana ny taom-pianarana vaovao ho an’ny sekoly ambony momba ny teolojia sy ny hay fivavahana (Esther). “Antoky ny firenena tsara tantana sy ny fierenandoha ara-toekarena eto Madagasikara ny fianarana ny teolojia”, hoy Randriamampionona Alfred, talen’ny ivontoeram-pampianarana. “Manampy amin’ny famolavolana ny olom-pirenena ho […]
TARATRY ny KANTO
Fifaninanana “Tafan-gilita”. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ny “Prime 3” amin’ity fifaninanana tendry gitara ity. Hiova toerana izany, satria hatao ankalamanjana, eny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy. Mba hizaran’ireo mpifaninana sahady ny karazan-tsehatra no antony, no hahafahan’ireo mpanotrona mba manohana bebe kokoa ireo mpifaninana ihany koa. Hizara ny traikefany […]
Opération Bokiko : Hisy atrikasa ho an’ireo te hanoratra boky
Maro ny manan-talenta amin’ny asa soratra. Tsy ny rehetra anefa no nahavita mamoaka izany ho boky. Ho fanampiana ireo manam-paniriana hamoaka ny asa sorany ho boky, mikarakara andiana atrikasa ho azy ireo ny Opération Bokiko. Hotontosaina anio ny atrikasa voalohany, manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Cités des Cultures Antaninarenina. […]
Seho « Fahasoavanao »: Dimy taona ny Mihir’all for Jesus
Taona 2020 – 2025. Feno dimy taona ny tarika Mihir’all for Jesus. Ho fanamarihana io vanim-potoana io, hiaka-tsehatra haneho ny “Fahasoavanao” ry zareo. Seho ara-pilazantsara tanterahina anio sabotsy 2 aogositra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Hôtel Astauria Antanimena. Hetsika natao maimaimpoana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka. […]





