Hiray sehatra indray ny tarika Kiaka sy ny tarika Green. Manome fotoana ireo mpankafy ny « cabaret rock » izy ireo ny sabotsy 26 jolay izao, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, eny amin’ny Nombantsoa, By-Pass. Fiarahana efa ela no nisy ny an’ny tarika roa tonta, izay efa samy zokiny ao […]
kolon-tsaina
« America’s next top hit maker » 2025 : Tafakatra amin’ny manasa-dalana i Mikahely
50 000 isa ireo mpanakanto nifaninanana maneran-tany. Miditra amin’ny dingana manasa-dalana amin’izao fotoana ilay fifaninanana « America’s Next Top Hit Maker 2025», any Etazonia. Anisan’ireo mpanakanto voafantina handray anjara i Mikahely (Mika sy Davis), ary izy irery ihany no Malagasy ao. Tafavoaka ny dingana ampahefa-dalana izy ny faran’ ny herinandro teo, […]
25 taona ny Avoko Production : Hamoaka sarimihetsika matihanina « Ainga Shot »
Hosokafana amin’ity taona ity ny faha-25 taona niorenan’ny trano mpamokatra sarimihetsika Avoko Production, eo ambany fitantanan’ny Grand Maître Rakotoarijaona Avoko. Raha ny tokony ho izy, ny taona 2026 vao tena feno ny 25 taona, saingy hatomboka dieny izao ny fankalazana, araka ny nambaran’ny filoha Tale jeneraly. Famokarana sarimihetsika matihanina mitondra […]
TARATRY ny KANTO
La Teinturerie Ampasanimalo, nanan-karena zavakanto ny faran’ny herinandro. Vao nigadona ny zoma hariva teo, efa nafana ny toerana, nandritra ny fampisehoana notontosain’ny tarika Driwna. Notohizana tamin’ny fiverenan’i Môta Soa an-tsehatra izany ny sabotsy alina. Niova kely, satria fampisehoana dihy “Open Mind Battle” kosa ny alahady, niarahana tamin’ny Jack’ Dad. Tetsy […]
“Tafan-gilita” – Prime 2 : Mihamafy ny fifaninanana, 25 no tafakatra
Kely dia kely ny elanelan’isa teo amin’ireo mpifaninana. Hita ho sahirana ihany ireo mpitsara ilay fifaninanana “Tafan-gilita”, nandritra ny dingana faharoa na ny Prime 2, ny asabotsy maraina teo, teny amin’ny Tanàna Zoari Ilafy. Nandalo tsirairay teo anoloan’i Mbola Talenta, Tojo Guitariste, Teddy ary i Jovin ireo mpifaninana 40, samy […]





