kolon-tsaina

Seho miavaka: Hiaka-tsehatra any Itavo Belazao ny Bira Ti’Art

Hiaka-tsehatra ao amin’ny EPP Itavo, kaominina Bela­zao, Antsirabe, ny tarika Bira Ti’Art, ny alahadin’ny Paka izao. Hiavaka izany satria hifangaroan’ny seho samihafa eny an-tsehatra. Nambaran’ny eo anivon’ny tarika Bira Ti’Art fa ho hitan’ireo mpijery any an-toerana ny hira sy ny dihy mirindra ary ny fampihomehezana. Manampy izany koa ny “Comedie […]

Andro maneran-tany : Tsy misongadina ny zavakanto

Nankalazaina, omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny zavakanto. Ho an’i Madagasikara manokana, nangingina ny fankalazana. Ny ankamaroan’ny Malagasy aza tsy nahafantatra ny fisian’io andro natokan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana (Unesco) ho an’ny kolontsaina io. Tsy nisy ny hetsika nisongadina. Tranga ahafahana mitaratra fa tsy mbola […]

97 taona omaly ny mpanakanto zokiny indrindra : Tsy afa-miala amin’ny «sérénade» ny anarana Fidimalala

Anisan’ny vanim-potoana tsy azo lalovam-potsiny ny nampiroborobo ny « sérénade » ho an’i Madagasikara. Ny tranga nisy teto Antananarivo no tena nisongadina indrindra niaraka tamina mpihira sy mpitendry gitara toa an’i Fidimalala. Ho an’ny mpikaroka sy mpandinika ny fivoaran’ny hira malagasy. Rafi­dimalala Robert na i Fi­di­malala no mpanakanto (mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno, […]

TARATRY ny KANTO

Raikitra indray ny « Concert à l’U », na ny fampisehoana zavakanto eny amin’ny Oniversiten’Anta­nanarivo. Hotontosaina ny zoma 18 avrily izao izany, manomboka amin’ny 3 ora, ao amin’ny Craam Ankatso. Hifandimby an-tsehatra amin’io ry Kabôsy Spirity, Mbaoé, MTF, Rolf ary ny Vain’Af. Gadona maroloko, kanefa maneho ny lokon’ny mozika fanome sehatra eny […]

Na sarotra aza ny lalana : Manohy ny diany ny tarika Honoré Soukouss

Taona 1998, nikirakira sy nandalina mozika Rakotonja­nahary Honoré, mitondra ny solonarana “Honoré Sou­kouss”. Mamoron-kira, mihira, mitendry zavamaneno ary mandrindra azy ireo. Nipoitra avy ao amina fianakaviana mpihiragasy izy. Anisany nanampy betsaka azy amin’ny fampiakarana hatrany ny lentan’ny mozika lalaoviny ihany koa ny naha mpikambana azy teo anivona antoko mpihira. Mirona […]